Fanampiana amin’ny fandalinana
Ôrdônansy


Ôrdônansy

Fanao sy fombafomba masina. Ny ôrdônansy dia raharaha manana heviny ara-panahy. Ny ôrdônansy dia mety koa ho ireo lalàna sy fitsipik’ Andriamanitra.

Ny ôrdônansy ao amin’ny Fiangonana dia ahitana ny fitsofan-drano ny marary (Jak. 5:14–15), ny fanamasinana ny fanasan’ny Tompo (F&F 20:77, 79), ny batisa asitrika (Mat. 3:16; F&F 20:72–74), ny fitsofan-drano ny zaza (F&F 20:70), ny fanomezana ny Fanahy Masina (F&F 20:68; 33:15), ny fanolorana ny fisoronana (F&F 84:6–16; 107:41–52), ny ôrdônansin’ny tempoly (F&F 124:39) ary ny fanambadiana ao amin’ny fanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizay (F&F 132:19–20).

Ôrdônansy isoloana tena

Ôrdônansy ara-pivavahana izay ataon’ny velona ho an’ny olona efa maty. Ireo ôrdônansy ireo dia tsy manan-kery raha tsy efa manaiky azy, mitandrina ny fanekempihavanana mifanaraka aminy, ary voaisy kasen’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana ny olona izay anaovana azy. Tanterahina any amin’ny tempoly ny ôrdônansy toy izany ankehitriny.