Fanampiana amin’ny fandalinana
Fariseo


Fariseo

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, antokom-pivavahana teo anivon’ny Jiosy izay mitondra anarana midika hoe misaraka na mitokana. Nandoka tena tamin’ny fanarahana amin’ny fomba hentitra ny lalàn’i Mosesy sy ny fisorohana izay zavatra rehetra mikasika ny Jentilisa ireo Fariseo. Nino ny fiainana aorian’ny fahafatesana, ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny fisian’ny anjely sy ny fanahy izy. Ninoany fa manan-danja mitovy amin’ny lalàna voasoratra ireo lalàna lovan-tsofina sy ny fomba nentim-paharazana. Ny fampianarany dia mametra ny fivavahana ho fanarahana ireo lalàna ary mamporisika ny fieboeboana ara-panahy. Nahatonga ny vahoaka Jiosy maro hiahiahy ny amin’i Kristy sy ny filazantsarany izy ireo. Niampanga ny Fariseo sy ny asany ny Tompo ao amin’ny Matio 23; sy Marka 7:1–23; ary Lioka 11:37–44.