Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanompoana


Fanompoana

Fanaovana ny asan’ny Tompo eto an-tany. Tsy maintsy antsoin’ Andriamanitra ireo mpanompo nofinidiny vao afaka hanompo ao amin’ny asany. Rehefa manao ny sitrapon’ny Tompo ireo mpanompony marina, dia misolo tena ny Tompo izy eo amin’ireo andraikiny ara-dalàna, sady miasa ho toy ny mpandraharahany (F&F 64:29), ka amin’izany, mitarika ny asa ilaina amin’ny famonjena ny zanak’olombelona. Ny Tompo dia nanome apôstôly, mpaminany, evanjelista, mpisorona avo, fitopololahy, loholona, eveka, mpisorona, mpampianatra, diakona, mpanampy, ary koa mpitondra, mba hahatanteraka ny olomasina, ho amin’ny asa fanompoana (1 Kor. 12:12–28; Ef. 4:11–16; F&F 20; 107).