Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpanora-dalàna


Mpanora-dalàna

Teny ampiasain’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, ka misy fahasamihafana kely ny fampiasany azy: (1) Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia ny manao tahadikan’ny soratra masina no andraikitra voalohany ananan’ny mpanora-dalàna (Jer. 8:8). (2) Voalaza matetika ao amin’ny Testamenta Vaovao ny mpanora-dalàna, ary antsoina hoe mpahay lalàna na mpampianatra ny lalàna izy mazàna. Nanao ny lalàna amin’ny antsipiriany izy ireo ary mampihatra izany araka ny zava-misy tamin’ny androny (Mat. 13:52; Mar. 2:16–17; 11:17–18; Lio. 11:44–53; 20:46–47).