Fanampiana amin’ny fandalinana
Hazofijaliana


Hazofijaliana

Hazo narafitra izay nanomboana an’i Jesoa Kristy (Mar. 15:20–26). Maro eo amin’izao tontolo izao ankehitriny no mihevitra izany toy ny tandindon’ny Fanomboana an’i Kristy sy ny sorona fanoneran-keloka nataony; ny Tompo anefa dia efa nametraka izay ho tandindon’ny Fanomboana Azy sy ny sorona nataony—ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo (Mat. 26:26–28; F&F 20:40, 75–79). Ao amin’ny soratra masina, ireo izay mitondra ny hazofijaliany dia ireo izay tia an’i Jesoa Kristy fatratra tokoa ka mandà eo amin’ny tenany ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao rehetra ary mitandrina ny didiny (DJS, Mat. 16:25–26 [Tovana]).