Fanampiana amin’ny fandalinana
Fifidianana


Fifidianana

Miankina amin’ny fahamendrehana tao amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany no nifidianan’ Andriamanitra an’ireo izay ho taranak’i Abrahama sy ho mpianakavin’i Isiraely ary ho tonga ho vahoakan’ny fanekempihavanana (Deot. 32:7–9; Abr. 2:9–11). Omena fitahiana manokana sy adidy ireo olona ireo mba hahafahany mitsodrano ny firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao (Roma. 11:5–7; 1 Pet. 1:2; Almà 13:1–5; F&F 84:99). Na ireo olona nofinidiny ireo aza anefa dia tsy maintsy voantso sy voafidy eo amin’ity fiainana ity mba hahazoany ny famonjena.