Fanampiana amin’ny fandalinana
Obadia


Obadia

Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, izay nanambara mialoha ny loza hanjo an’i Edoma. Mety ho nandritra ny nanjakan’i Jehorama (848–844 taona talohan’i Kristy) no naminaniany, na koa nandritra ny fanafihan’ny Babyloniana ny 586 taona talohan’i Kristy.

Ny bokin’i Obadia

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy mirakitra afa-tsy toko iray izany. Ao anatiny no anoratan’i Obadia ny fahalavoan’i Edoma sy aminaniany fa hitsangana eo an-tendrombohitr’i Ziona ireo mpamonjy.