Fanampiana amin’ny fandalinana
Getsemane


Getsemane

Saha iray ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay voalaza ho akaikin’ny Tendrombohitra Oliva. Ny teny hoe getsemane amin’ny fiteny Aramaika dia “famiazana oliva” no heviny. Nankao amin’ny saha i Jesoa ny alina namadihan’i Jodasy Azy. Tao Getsemane Izy no nivavaka sy niaritra noho ny fahotan’ny olombelona (Mat. 26:36, 39; Mar. 14:32; Jao. 18:1; Almà 21:9; F&F 19:15–19).