Fanampiana amin’ny fandalinana
Jakoba, Rahalahin’ny Tompo


Jakoba, Rahalahin’ny Tompo

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, rahalahin’ny Tompo (Gal. 1:19) sady rahalahin’i Josesy, i Simona, i Jodasy ary manana anabavy vitsivitsy (Mat. 13:55–56; Mar. 6:3; Joda 1:1). Izy dia fantatra koa amin’ny hoe Jakoba ilay marina ary nitana toerana ambony tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema (Asa 12:17; 15:13; 1 Kor. 15:7; Gal. 2:9–12). Inoana fa izy no mety nanoratra ny epistilin’i Jakoba.

Ny epistilin’i Jakoba

boky iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taratasy navantana tamin’ny foko roa ambin’ny folo amin’ny Isiraely izay naely patrana izany tany am-piandohana ary angamba nosoratana avy tao Jerosalema. Ny epistily dia mirakitra an’ireo lafiny vitsivitsy voalaza mazava tsara momba ny fampiharana ny fivavahana, anisan’izany ilay torohevitra mafonja ao amin’ny toko1, fa raha misy olona tsy manam-pahendrena dia tokony hangataka ny fanampian’ Andriamanitra izy. (Jak. 1:5–6; JS—T 1:9–20). Ny toko 2 dia milazalaza ny amin’ny finoana sy ny asa. Ny toko 3–4 dia milaza ny amin’ny tokony hifehezana ny lela ary fananarana ny Olomasina tsy hifanaratsy. Ny toko 5 dia mandrisika ny Olomasina hanam-paharetana ary hiantso ny loholona hanome tsodrano rehefa marary; Izany koa dia mampianatra ny amin’ny tsodrano hoenti-manova ny fon’ny hafa.