Fanampiana amin’ny fandalinana
Lalàn’i Mosesy


Lalàn’i Mosesy

Nanome lalàna ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy Andriamanitra mba ho solon’ny lalàna ambony kokoa izay tsy hain’izy ireo nankatoavina. (Eks. 34; DJS, Eks. 34:1–2; DJS, Deot. 10:2 [Tovana]). Ny lalàn’ny Mosesy dia ahitana fitsipika fototra sy didy, fombafomba sy fanao, ary sariohatra izay mampatsiahy ny olona ireo adidy sy andraikiny. Voarakitra ao anatiny ny lalàna ara-pitondrantena sy ara-pivavahana, ary koa ny didy sy asa ara-nofo—ka isan’izany ny sorona (Lev. 1–7)—izay natao hampahatsiahy azy ireo an’ Andriamanitra sy ny adidiny Aminy (Môzià 13:30). Ny finoana, ny fibebahana, ny batisa anaty rano, ary ny famelana ny fahotana dia anisan’izany lalàna izany, toy izany koa ny didy folo sy ireo lalàna ambony ara-pitondrantena maro. Maro tamin’ireo lalàna sy fombafomba no tanteraka tamin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy izay namarana ny sorona fandatsahan-dra (Almà 34:13–14). Notantanina teo ambanin’ny Fisoronana Aharôna ny lalàna izay filazantsara fiomanana hitondra ny mpanaraka azy ho any amin’i Kristy.