Fanampiana amin’ny fandalinana
Môrônia, Zanakalahin’i Môrmôna


Môrônia, Zanakalahin’i Môrmôna

Mpaminany Nefita farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (tokony ho ny 421 taona taorian’i Kristy). I Môrmôna talohan’ny hahafatesany dia nanome an’i Môrônia zanany lahy ny rakitantara antsoina hoe takelak’i Môrmôna (TiM 1:1). I Môrônia no namarana ny fanangonana ny takelak’i Môrmôna. Izy no nanovana ny toko faha-8 sy faha-9 amin’ny bokin’i Môrmôna (Môrm. 8:1). Izy no namintina sy nampiditra ny bokin’i Etera (Ete. 1:1–2) ary nampiany ny bokiny manokana izay antsoina hoe ny bokin’i Môrônia (Môrô. 1). Nasian’i Môrônia tombokase ireo takelaka ary nafeniny teo amin’ny tendrombohitr’i Komôrà (Môrm. 8:14; Môrô. 10:2). Tamin’ny taona 1823, dia nirahina tamin’ny endrika olona tafatsangana tamin’ny maty i Môrônia hanambara ny Bokin’i Môrmôna amin’i Joseph Smith (F&F 27:5; JS—T 1:30–42, 45). Nampianatra isan-taona ilay mpaminany tanora izy nanomboka tamin’ny taona 1823 ka hatramin’ny taona 1827 (JS—T 1:54), ary farany dia nanome azy ireo takelaka ny taona 1827 (JS—T 1:59). Naverin’i Joseph Smith tamin’i Môrônia ireo takelaka rehefa vita ny fandikana azy.

Ny bokin’i Môrônia

Boky farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. I Môrônia, mpaminany Nefita farany no nanoratra azy. Toko 1–3: mitantara ny famongorana farany ireo Nefita, manome toromarika momba ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny fisoronana. Toko 4–5: manondro amin’ny antsipiriany ny fomba fitantanana marina ny fanasan’ny Tompo. Toko 6: mamintina ny asan’ny Fiangonana. Toko 7–8: toriteny momba ireo fitsipika fototra ao amin’ny filazantsara, ka isan’izany ny fampianaran’i Môrmôna mikasika ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, sy ny fomba hitsarana ny tsara sy ny ratsy (Môrô. 7), ary ny fanazavan’i Môrmôna fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika ary tsy mila atao batisa (Môrô. 8). Toko 9: milaza ny faharatsian’ny firenena Nefita. Toko 10: hafatra farany nataon’i Môrônia, ka isan’izany ny fomba hahafantarana ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna (Môrô. 10:3–5).