Fanampiana amin’ny fandalinana
Melkizedeka


Melkizedeka

Mpisorona avo, mpaminany, ary mpitondra lehibe ao amin’ny Testamenta Taloha izay niaina taorian’ny Safodrano, tamin’ny andron’i Abrahama. Nantsoina hoe mpanjakan’i Salema (Jerosalema), mpanjakan’ny fiadanana, mpanjakan’ny fahamarinana (izay midika hoe Melkizedeka amin’ny teny Hebreo), ary mpisoron’ Andriamanitra avo indrindra izy.