Fanampiana amin’ny fandalinana
Fisoronana Melkizedeka


Fisoronana Melkizedeka

Ny Fisoronana Melkizedeka dia ny fisoronana avo kokoa na ambony. Ny Fisoronana Aharôna dia ny fisoronana ambany. Mihazona ny fanalahidin’ny fitahiana ara-panahy ho an’ny fiangonana ny Fisoronana Melkizedeka. Amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny fisoronana avo kokoa dia miharihary ao amin’ny olona ny herin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra (F&F 84:18–25; 107:18–21).

I Adama no nanambaran’ Andriamanitra voalohany io fisoronana avo kokoa io. Nanana io fahefana io ireo patriarika sy mpaminany tamin’ny fotoampitantanana tsirairay (F&F 84:6–17). Ny fisoronana masina araka ny lamin’ny Zanak’ Andriamanitra no niantsoana azy voalohany. Fantatra amin’ny hoe fisoronana Melkizedeka izy ankehitriny. (F&F 107:2–4).

Rehefa tsy nahavita niaina nifanaraka tamin’ny tombontsoa sy ny fanekempihavanan’ny fisoronana Melkizedeka ny zanak’i Isiraely dia nesorin’ny Tompo ny lalàna ambony kokoa ka fisoronana sy lalàna ambany kokoa no nomeny azy. (F&F 84:23–26). Fisoronana Aharôna sy lalàn’i Mosesy no niantsoana izany. Rehefa tonga teto an-tany i Jesoa, dia namerina indray tamin’ny Jiosy ny fisoronana Melkizedeka ary nanomboka nanangana ny fiangonany teo anivony. Very indray anefa ny Fisoronana sy ny fiangonana noho ny apôstazia. Naverina tamin’ny alalan’i Joseph Smith zanany izany taty aoriana. (F&F 27:12–13; 128:20; JS—T 1:73).

Ao anatin’ny Fisoronana Melkizedeka ny anjara fanompoan’ny loholona, ny mpisorona avo, ny patriarika, ny Fitopololahy, ary ny Apôstôly (F&F 107). Ho ampahan’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany mandrakariva ny fisoronana Melkizedeka.

Ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no filohan’ny fisoronana avo na Fisoronana Melkizedeka, ary izy no mihazona ny fanalahidy rehetra mikasika ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany. Ny antso ho Filoha dia hazonin’ny lehilahy iray monja amin’ny fotoana iray ary izy no hany olona eto an-tany nomem-pahefana hampiasa ireo fanalahidin’ny fisoronana rehetra (F&F 107:64–67; 132:7).