Fanampiana amin’ny fandalinana
Tabernakely


Tabernakely

Tranon’ny Tompo, foiben’ny fivavahan’ny Isiraely nandritra ny Fifindra-monina avy any Egypta. Tempoly azo afindrafindra ny tabernakely ary azo saratsarahina sy atambatra indray. Nampiasa ny tabernakely ny zanak’i Isiraely mandra-panangany ny tempolin’i Solomona (F&F 124:38).

Nasehon’ Andriamanitra an’i Mosesy ny ho firafitry ny tabernakely (Eks. 26–27), ary dia nanangana izany araka ilay firafitra ny zanak’i Isiraely (Eks. 35–40). Rehefa vita ny tabernakely dia nisy rahona nandrakotra ny lay, ary ny voninahitr’ Andriamanitra nameno ny tabernakely (Eks. 40:33–34). Mariky ny fanatrehan’ Andriamanitra ny rahona. Niendrika afo izany rehefa alina. Rehefa nijanona teo ambonin’ny lay ny rahona dia nijanona nilasy ny zanak’i Isiraely. Rehefa nandeha kosa ny rahona dia niara-nandeha taminy izy ireo (Eks. 40:36–38; Nom. 9:17–18). Nitondra ny tabernakely niaraka taminy ny zanak’i Isiraely nandritra ny firenireneny tany an-tany foana sy tamin’ny namaboany ny tanin’i Kanana. Taorian’izany famaboana izany, dia napetraka tany Silo izay toerana nofinidin’ny Tompo ny tabernakely (Jos. 18:1). Taorian’ny nananganan’ny zanak’i Isiraely ny tempolin’i Solomona, dia tsy re intsony mihitsy tamin’ny tantara ny tabernakely.

Ny Tompo sy i Isaia dia nampiasa ny tabernakely ho toy ny tandindon’ny tanànan’i Ziona sy i Jerosalema amin’ny fotoana hiavian’ny Tompo fanindroany (Isa. 33:20; Mos. 7:62).