Fanampiana amin’ny fandalinana
Timoty, Epistily ho an’ny


Timoty, Epistily ho an’ny

Boky roa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Taratasy nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ireo boky roa ireo.

1 Timoty

Nanoratra ny epistily voalohany i Paoly taorian’ny nigadràny voalohany. Namela an’i Timoty tao Efeso izy ary nikasa ny hiverina any aoriana (1 Tim. 3:14). Tsapan’i Paoly anefa fa mety ho tratra aoriana ny tenany, ka dia nanoratra tamin’i Timoty izy, mety ho avy any Masedonia (1 Tim. 1:3), hanome azy torohevitra sy fampaherezana amin’ny fanatontosana ny asany.

Toko 1: mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy ny fampianarany momba ny fisaintsainana adaladala izay nahazo lalana tao amin’ny fiangonana. Toko 2–3: manome toromarika mikasika ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso sy mikasika ny toetra sy ny fitondrantenan’ireo mpanompo. Toko 4–5: mirakitra filazana mikasika ny apôstazia amin’ny andro farany sy torohevitra ho an’i Timoty mikasika ny fomba tokony hanompoany ireo olona tarihiny. Toko 6: famporisihana hahatoky sy hisoroka ny haren’izao tontolo izao.

2 Timoty

nanoratra ny taratasy faharoa i Paoly nandritra ny figadrany fanindroany, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany ho maritiora. Izany dia mirakitra ny teny farany nataon’ity Apôstôly ity, ary mampiseho ny herim-po mahatalanjona sy ny fahatokiana nentiny niatrika ny fahafatesana.

Toko 1: mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy didy ho an’i Timoty. Toko 2–3: manome fampitandremana sy torolalana samihafa, miaraka amin’ny famporisihana hiatrika ny loza ho avy. Toko 4: hafatra ho an’ireo naman’i Paoly, mirakitra torohevitra mikasika ny fomba hitondrana ireo mivadika.