Fanampiana amin’ny fandalinana
Galatianina, Epistily ho an’ny


Galatianina, Epistily ho an’ny

Boky iray ao amin’ny Testamenta Vaovao. Izany dia taratasy nosoratan’i Paoly tany am-piandohana ho an’ireo Olomasina nonina nanerana an’i Galatia. Ny ventin-kevitry ny taratasy dia izao: ny fahafahana marina dia tsy mety ho hita afa-tsy amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Raha eken’ny olomasina ny fampianaran’ny Kristiana Jiosy, izay nanantitrantitra ny fanarahana ny lalàn’i Mosesy, dia ho ferany na horavany ny fahafahana izay efa hitany tao amin’i Kristy. Ao amin’ny epistily no nanambaran’i Paoly ny anjara toerany amin’ny maha-Apôstôly azy ka nanazavany ny fotopampianaran’ny fahamarinana amin’ny finoana ary nanamafisany ny lanjan’ny fivavahana ara-panahy.

Toko 1 sy 2: nanambara ny alahelony i Paoly noho ny vaovao voarainy momba ny apôstazia eo anivon’ny Galatiana ary nanazava ny anjara toerany eo anivon’ny Apôstôly izy. Toko 3 sy 4: mamelabelatra ny fotopampianaran’ny finoana sy ny asa. Toko 5 sy 6: ahitana lahateny momba ny vokatra azo tsapain-tanana avy amin’ny fotopampianaran’ny finoana.