Vola vy na ravin-taratasy fanamarinana, na zavatra izay ampiasain’ny olona ho takalon-javatra na takalon’asa. Mariky ny firaiketana amin’ny zavatry ny tany izany indraindray.
Norarana tsy hitondra na kitapo, na hanina, na vola ireo Roambinifololahy rehefa handeha hitory teny, Mar. 6:8 .
Niteny tamin’i Simona mpimasy i Petera fa ho very mbamin’ny tenany ny volany, Asa 8:20 .
Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, 1 Tim. 6:10 .
Koa aza mandany vola amin’izay tsy misy vidiny, 2 Ne. 9:50–51 (Isa. 55:1–2 ; 2 Ne. 26:25–27 ).
Fa ho faty kosa izy raha miasa hahazoam-bola, 2 Ne. 26:31 .
Nefa mialoha ny hikatsahanareo harena, dia katsahonareo ny fanjakan’ Andriamanitra, Jkb. 2:18–19 .
Hilaza ireo fiangonana fa ho voavela noho ny volanareo ny helokareo, Môrm. 8:32, 37 .