Fanampiana amin’ny fandalinana
Joela


Joela

Mpaminany teo amin’ny tanin’i Joda, ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy azo antoka ny fe-potoana niainany—mety ho niaina teo anelanelan’ny fotoana nanjakan’i Joasy, talohan’ny 850 taona talohan’i Kristy, sy ny fiverenan’ny fokom-pirenen’i Joda avy tamin’ny fahababoana tany Babylona izy.

Ny bokin’i Joela

Ny boky dia miompana amin’ny faminaniana nataon’i Joela taorian’ny nikapohana ny tanin’i Joda tamin’ny haintany sy tamin’ny valala (Joe. 1:4–20). Nanome toky ny olona i Joela fa amin’ny alalan’ny fibebahana dia ho azony indray ireo fitahian’ Andriamanitra (Joe. 2:12–14).

Ny toko 1 dia antso mba hisian’ny fivoriana masina ao an-tranon’ny Tompo. Ny Toko 2 dia milaza ny amin’ny ady sy ny faharavana izay mialoha lalana ny Arivotaona. Ny toko 3 dia miresaka ny amin’ny andro farany ary manamafy fa hifanandrina amin’ny ady ny firenena rehetra ary amin’ny farany dia hitoetra ao Ziona ny Tompo.

Petera dia nampahatsiahy ny faminanian’i Joela ny amin’ny fandatsahana ny Fanahy amin’ny andro Pantekôsta (Joe. 3:1–5; Asa 2:16–21). Nampahatsiahy koa an’io andininy io ihany tamin’i Joseph Smith ny anjely Môrônia (JS—T 1:41).