Fanampiana amin’ny fandalinana
Samoela, Mpaminanin’ny Testamenta Taloha


Samoela, Mpaminanin’ny Testamenta Taloha

Zanakalahin’i Elkana sy i Hana i Samoela, ary teraka ho valin’ny vavaky ny reniny (1 Sam. 1). Napetraka teo ambany fiahian’i Ely mpisorona avo izy fony zaza, tao amin’ny tabernakely tany Silao (1 Sam. 2:11; 3:1). Nantsoin’ny Tompo ho mpaminany i Samoela raha mbola zaza (1 Sam. 3). Taorian’ny nahafatesan’i Ely, dia lasa mpaminany lehibe sy mpitsara an’i Isiraely i Samoela ka namerina indray ny lalàna sy ny filaminana ary ny fivavahana teo amin’ny tany (1 Sam. 4:15–18; 7:3–17).

1 Samoela 28:5–20: mirakitra fitantarana ny namerenan’ilay ombiasin’i En-dora an’i Samoela avy amin’ny maty, noho ny fangatahan’i Saoly Mpanjaka. Tsy ho fahitana avy amin’ Andriamanitra izany, satria ny ombiasy na ny mpamoha angatra hafa dia tsy afaka hanery mpaminany iray hiseho noho ny fangatahany.

Ny bokin’ny 1 Samoela sy 2 Samoela

boky iray ihany ny bokin’ny 1 Samoela sy 2 Samoela ao amin’ny Baiboly sasany. Boky roa kosa izany ao amin’ny hafa. Mandrakotra vanim-potoana sahabo ho 130 taona ireo boky ireo, nanomboka tamin’ny fahaterahan’i Samoela ka hatramin’ny taloha kelin’ny nahafatesan’i Davida mpanjaka.

Ny bokin’ny 1 Samoela

Toko 1–3: milaza fa nanozona sy nanasazy ny fianakavian’i Ely ny Tompo ary niantso an’i Samoela ho mpisorona avo sy mpitsara. Toko 4–6: mitantara ny nianjeran’ny fiaran’ny fanekena teo am-pelatanan’ny Filistina. Toko 7–8: mirakitra ny fampitandremana nataon’i Samoela momba ny fananana andriamani-kafa sy mpanjaka ratsy fanahy. Toko 9–15: milaza ny fanosorana an’i Saoly sy ny nanjakany amin’ny maha-mpanjaka. Toko 16–31: milaza ny tantaran’i Davida sy ny nahazoany ny fahefana—nohosoran’i Samoela i Davida izay namono an’i Goliata. Nankahala an’i Davida i Saoly, saingy nandà ny hamono an’i Saoly i Davida na dia afaka nanao izany aza.

Ny bokin’ny 2 Samoela

Raketin’ny boky ny antsipiriany amin’ny nanjakan’i Davida tamin’ny naha-mpanjaka azy tamin’ny Joda, ary farany tamin’ny Isiraely rehetra. Toko 1–4: mampiseho ny ady lava reny nifanaovan’ny mpanaraka an’i Davida taorian’ny nampanjakan’ny Joda azy, sy ny mpanaraka an’i Saoly. Toko 5–10: mampiseho ny fitomboan’ny fahefan’i Davida tamin’ny toerana maro. Toko 11–21: mampiseho ny fihenan’ny hery ara-panahin’i Davida noho ny fahotany sy ny fiokoana teo anivon’ny fianakaviany. Toko 22–24: mitantara ny fiezahan’i Davida hihavana indray amin’ny Tompo.