Fanampiana amin’ny fandalinana
Marsh, Thomas B.


Marsh, Thomas B.

Filoha voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy taorian’ny Famerenana ho amin’ny laoniny ny fiangonana ny taona 1830. Nihazona ny fanalahidin’ny fanjakana mikasika ny Roambinifololahy izy (F&F 112:16) ary nodidina tamin’ny alalan’ny fanambarana, ny taona 1838, mba hamoaka ny tenin’ny Tompo (F&F 118:2). Miantefa aminy ny fizarana 31 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Nesorina tsy ho mpikamban’ny fiangonana i Marsh ny taona 1839 saingy natao batisa indray ny volana jolay 1857.