Fanampiana amin’ny fandalinana
Pentekosta


Pentekosta

Ao anatin’ny lalàn’i Mosesy, ny Fetin’ny Pentekosta na ny Voaloham-bokatra dia atao dimampolo andro aorian’ny Fetin’ny paska (Lev. 23:16). Natao hankalazana ny fijinjana ny Pentekosta, ary antsoina hoe ny Andro firavoravoana amin’ny Fijinjana na ny Andro firavoravoana manarakaraka ireo Herinandro izany ao amin’ny Testamenta Taloha. Io fety io no nankalazaina tamin’ny fotoana nahafeno ny Fanahy Masina ireo Apôstôly tany Jerosalema ka nitenenany fiteny samihafa (Asa 2; F&F 109:36–37).