Fanampiana amin’ny fandalinana
Jakoba, Zanakalahin’i Isaka


Jakoba, Zanakalahin’i Isaka

Patriarika sady mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha; ny zandriny tamin’ireo roa lahy kambana zanak’i Isaka sy i Rebeka (Gen. 25:19–26). Azon’i Jakoba ny fizokiana tokony ho an’i Esao rahalahiny. Izany dia noho ny fahamendrehan’i Jakoba sy ny nanambadiany tao anatin’ny fanekempihavanana raha i Esao kosa nanamavo ny fizokiana ary nanambady tany ivelan’ny fanekempihavanana (Gen. 25:30–34; 26:34–35; 27; 28:6–9; Heb. 12:16).