Fanampiana amin’ny fandalinana
Kaleba


Kaleba

Anankiray tamin’ireo nirahin’i Mosesy hisafo ny tany Kanana tamin’ny taona faharoan’ny Fifindramonina. Izy sy i Josoa irery no nitondra tatitra marina momba ilay tany (Nom. 13:6, 30; 14:6–38). Izy ireo irery tamin’ireo izay nandao an’i Egypta no mbola velona taorian’ny efapolo taona tany an’efitra (Nom. 26:65; 32:12; Deot. 1:36) ka niditra an’i Kanana (Jos. 14:6–14; 15:13–19).