Fanampiana amin’ny fandalinana
Marka


Marka

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, i Jaona Marka dia zanakalahin’i Maria izay nonina tao Jerosalema (Asa 12:12); Mety ho zanak’olo-mpirahalahy amin’i Barnabasy na zana-drahalahiny izy (Kol. 4:10). Niaraka tamin’i Paoly sy i Barnabasy avy any Jerosalema izy tamin’ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’izy ireo voalohany, ary nandao azy ireo tao Perga (Asa 12:25; 13:5, 13). Niaraka tamin’i Barnabasy tany Kiprosy izy taty aoriana (Asa 15:37–39). Niaraka tamin’i Paoly tany Roma izy (Kol. 4:10; Filem. 1:24), ary niaraka tamin’i Petera tany Babylona (angamba Roma) (1 Pet. 5:13). Farany, niaraka tamin’i Timoty tany Efesosy izy (2 Tim. 4:11).

Ny Filazantsaran’i Marka

Boky faharoa ao amin’ny Testamenta Vaovao. Mety ho nosoratana teo ambany fitarihan’i Petera ny Filazantsaran’i Marka. Ny tanjony dia ny haneho ny Tompo ho toy ny Zanak’ Andriamanitra miaina sy miasa eo anivon’ny olona. Soritan’i Marka amin-kery sy fanetrentena ny fahatsapan’ireo mpandinika momba an’i Jesoa. Ambaran’ny lovan-tsofina fa nivahiny tany Egypta i Marka taorian’ny nahafatesan’i Petera, ka nanorina ny fiangonana tany Aleksandria ary maty maritiora.

Ny amin’ny lisitr’ireo toe-javatra niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay notantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Marka, jereo ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana.