Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpahita


Mpahita

Olona mahazo lalana avy amin’ Andriamanitra mba hahita amin’ny masom-panahy ireo zavatra izay nafenin’ Andriamanitra amin’izao tontolo izao (Mos. 6:35–38). Sady mpanambara no mpaminany izany olona izany (Môzià 8:13–16). Ampianarin’i Amôna ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa ny mpahita ihany no afaka mampiasa ny mpandika na ny Orima sy Tomima (Môzià 8:13; 28:16). Ny mpahita dia mahafantatra ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy. Fahiny, ny mpaminany dia nantsoina matetika hoe mpahita (1 Sam. 9:9; 2 Sam. 24:11).

I Joseph Smith no mpahita lehibe an’ny andro farany (F&F 21:1; 135:3). Ho fanampin’izany, ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia tohanana ho mpaminany, mpahita, ary mpanambara.