Fanampiana amin’ny fandalinana
Sekolin’ireo Mpaminany


Sekolin’ireo Mpaminany

Tao Kirtland, Ohio (Amerika), nandritra ny ririnin’ny taona 1832–1833, dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo hanorina sekoly izay hanofanana ireo rahalahy ny amin’ny zavatra rehetra mikasika ny filazantsara sy ny fanjakan’ Andriamanitra. Avy ao amin’io sekoly io no niavian’ny maro tamin’ireo mpitondra voalohany tao amin’ny Fiangonana. Nisy sekolin’ireo mpaminany na an’ireo loholona iray hafa tao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, izay notarihin’i Parley P. Pratt (F&F 97:1–6). Nisy koa sekoly hafa mitovy amin’izany, izay naorina fotoana fohy taorian’ny nifindran’ny Olomasina nankany andrefana, saingy tsy ela dia natsahatra izany. Ankehitriny, ny fampianarana ny filazantsara dia atao ao an-trano, ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana, ao amin’ireo vondrona mpikambana samihafa, ary ao amin’ireo sekolin’ny fiangonana sy ny kilasin’ny seminera sy institut.