Fanampiana amin’ny fandalinana
Kornelio


Kornelio

Kapiteny tao Kaisaria, nataon’i Petera batisa (Asa 10). Izy angamba no Jentilisa voalohany niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonana sady tsy nanaraka ny Jodaisma talohan’izany. Ny fanaovana batisa an’i Kornelio sy ny ankohonany dia nanamarika ny fisokafan’ny lalana ho an’ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny Jentilisa. Petera, lohan’ny Apôstôly izay nihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra teto an-tany tamin’izany fotoana izany, no nitarika ny asa fitoriana.