Fanampiana amin’ny fandalinana
Voaloham-bokatra


Voaloham-bokatra

Ny vokatra voalohany voangona ho an’ny tonon-taona. Natao fanatitra ho an’ny Tompo izany tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha (Lev. 23:9–20). I Jesoa Kristy no voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra noho Izy nitsangana tamin’ny maty voalohany (1 Kor. 15:20, 23; 2 Ne. 2:9). Ireo izay manaiky ny filazantsara sy maharitra hatramin’ny farany amim-pahatokiana no sary an’ohatry ny voaloham-bokatra, fa an’ Andriamanitra izy ireo.