Fanampiana amin’ny fandalinana
Zakaria


Zakaria

Mpaminanin’ny Testamenta Taloha izay naminany nanodidina ny 520 taona talohan’i Kristy. Niaina tamin’ny andron’i Hagay mpaminany izy (Ezra 5:1; 6:14).

Ny bokin’i Zakaria

boky izay voamarika noho ny faminaniana raketiny momba ny fanompoan’i Kristy eto an-tany sy ny Fiaviany Fanindroany (Zak. 9:9; 11:12–13; 12:10; 13:6). Toko 1–8: mirakitra fahitana maro momba ny hoavin’ny vahoakan’ Andriamanitra. Toko 9–14: mirakitra fahitana momba ny Mesia, ny andro farany, ny fanangonana ny Isiraely, ny ady lehibe farany, ary ny fiaviana fanindroany.