Fanampiana amin’ny fandalinana
Fitsanganana amin’ny maty


Fitsanganana amin’ny maty

Ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana aorian’ny fahafatesana. Tsy hisaraka intsony ny fanahy sy ny vatana aorian’ny fitsanganana amin’ny maty, ary ho lasa tsy mety maty ny olona. Hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra teraka teto an-tany noho ny nandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana (1 Kor. 15:20–22).

I Jesoa Kristy no olona nitsangana voalohany tamin’ny maty teto an-tany (Asa 26:23; Kol. 1:18; Apôk. 1:5). Manome porofo maro ny Testamenta Vaovao fa nitsangana niaraka tamin’ny vatany nofo i Jesoa: foana ny fasany, nihinana trondro sy tantely Izy, nanana vatana nofo aman-taolana Izy, nikasika azy ny olona ary nambaran’ny anjely fa efa nitsangana Izy (Mar. 16:1–6; Lio. 24:1–12, 36–43; Jao. 20:1–18). Manamafy ny fahamarinan’ny Fitsanganan’i Kristy sy ny olombelona rehetra amin’ny maty ny fanambaran’ny andro farany (Almà 11:40–45; 40; 3 Ne. 11:1–17; F&F 76; Mos. 7:62).

Tsy hiara-mitsangana amin’ny voninahitra mitovy avokoa ny rehetra, (1 Kor. 15:39–42; F&F 76:89–98), Tsy hiara-mitsangana avokoa ny rehetra (1 Kor. 15:22–23; Almà 40:8; F&F 76:64–65, 85; 88:96–102). Maro ny Olomasina nitsangana tamin’ny maty taorian’ny Fitsanganan’i Kristy (Mat. 27:52). Hitsangana alohan’ny ratsy fanahy ny olo-marina ary hivoaka amin’ny Fitsanganana Voalohany (1 Tes. 4:16); Ireo mpanota tsy mibebaka dia hitsangana amin’ny fitsanganana farany (Apôk. 20:5–13; F&F 76:85).