Fanampiana amin’ny fandalinana
Joba


Joba

Lehilahy marina tao amin’ny Testamenta Taloha, izay niaritra fijaliana goavana nefa dia mbola nitoetra ho nahatoky tamin’ny finoany an’ Andriamanitra. Voalaza ao amin’ny bokin’i Joba ny tantarany.

Ny bokin’i Joba

Na momba ny fijalian’i Joba aza ny boky, dia tsy mamaly tanteraka ny fanontaniana hoe: nahoana i Joba (na ny olona iray hafa) no mety hiaritra fijaliana sy famoizana ny ankohonany mbamin’ny fananany. Manazava ny boky fa ny fijaliana mihatra dia tsy midika mandrakariva fa nanota ilay olona. Ny Tompo dia mety hampiasa ny fijaliana hahazoan’ny olona fahaiza-manao, fifehezan-tena ary fianarana na famaizana ihany koa (F&F 122).

Azo zaraina ho efatra ny boky. Ny toko 1–2 dia sasin-teny ho an’ny tantara. Ny toko 3–31 dia mitantara an’ireo fifandaharana nifanesy teo amin’i Joba sy ny namany telo. Ny toko 32–37 dia mirakitra ny lahatenin’i Eliho, namana fahefatra izay manameloka an’i Joba noho ny antony hafa noho ny an’ireo namany telo voalohany. Ny toko 38–42 dia mamarana ny boky amin’ny fanomezan-toky ho an’i Joba fa efa tsara hatrany am-piandohana ny fitondrany ny fiainany.

Mampianatra ny bokin’i Joba fa raha manana fahalalana marina an’ Andriamanitra ny olona iray ary manaraka ny fomba fiaina izay ankasitrahan’ Andriamanitra, dia ho hainy kokoa ny hiaritra ny fizahan-toetra izay mianjady aminy. Ny finoana namaka tamin’i Joba dia ahariharin’ny hiaka toy ny hoe: “Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hitoky Aminy aho” (Joba 13:15). Voatonona koa ao amin’ny Ezekiela 14:14; Jakoba 5:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:10 i Joba.