Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 34


Fizarana 34

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Orson Pratt tao Fayette, New York, ny 4 nôvambra 1830. Sivy ambin’ny folo taona ny rahalahy Pratt tamin’io fotoana io. Niova fo sy natao batisa izy rehefa nandre ny fitorian’ny zokiny Parley P. Pratt, enina herinandro talohan’io, momba ny filazantsara naverina indray. Tao an-tranon’i Peter Whitmer rainy no nahazoana ity fanambarana ity.

1–4, Tonga zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ireo mahatoky; 5–9, Manomana ny lalana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany ny fitoriana ny filazantsara; 10–12, Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny faminaniana.

1 Ry aOrson zanako lahy, mihainoa sy mandrenesa ka hevero izay holazaiko Izaho Tompo Andriamanitra aminao, dia i Jesoa Kristy Mpanavotra anao;

2 Ny afahazavana sy ny fiainan’izao tontolo izao, fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina ary ny haizina tsy mahazo izany;

3 Izay atia fatratra izao tontolo izao, ka bnomeny ny ainy mba ho tonga dzanak’ Andriamanitra izay rehetra mino. Koa ianao dia zanako lahy;

4 Ary ahotahina ianao noho ianao efa mino;

5 Ary mainka hotahiana ianao noho ianao efa avoantsoko hitory ny filazantsarako—

6 Hanandratra ny feonao tahaka ny fanenon’ny trompetra sady maharitra no mafy, ary ahiantsoantso fibebahana amin’ny taranaka meloka sy maditra, hanomana ny lalan’ny Tompo ho amin’ny bfiaviany fanindroany.

7 Fa indro, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, efa antomotra sy akaiky ny afotoana hiaviako eny amin’ny brahona miaraka amin’ny hery sy ny voninahitra lehibe.

8 Ary ho aandro lehibe ny fotoana fiaviako fa bhihorohoro ny firenena rehetra.

9 Saingy mialoha ny hahatongavan’izany andro lehibe izany, dia hohamaizinina ny masoandro ary ny volana hampodiana ho ra; ary tsy haneho ny famirapiratany ny kintana ary hianjera ny sasany, ary lehibe ny famongorana miandry ny olon-dratsy.

10 Koa asandrato ny feonao ary aza amitsitsy, fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny; koa maminania, dia homena amin’ny bherin’ny Fanahy Masina izany.

11 Ary raha mahatoky ianao dia indro, momba anao Aho ambara-piaviko—

12 Ary lazaiko aminao marina dia marina tokoa, avy faingana Aho. Izaho no Tompo sy Mpanavotra anao. Izany tokoa. Amena.