Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 87


Fizarana 87

Fanambarana sy faminaniana momba ny ady, nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao an-tanàna na tao akaikin’i Kirtland, Ohio, ny 25 desambra 1832. Nibahana tamin’izany fotoana izany ny fifandirana tany Etazonia mikasika ny fanandevozana sy ny fandavan’i South Carolina handoa ny vola tokony haloany amin’ny fanjakana foibe. Milaza ny tantaran’i Joseph Smith fa “Nanomboka niharihary kokoa” tamin’ny Mpaminany “ireo endrika adiady nanerana ireo firenena noho izay nisy hatrizay nanombohan’ny Fiangonana ny diany nivoaka avy tao an-tany foana.”

1–4, Voalaza mialoha ny hisian’ny ady eo amin’ireo Faritany Tavaratra sy ireo Faritany Tatsimo; 5–8, Antambo lehibe no hanjo ny mponina rehetra eto an-tany.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo momba ireo ady izay hitranga tsy ho ela, izay manomboka amin’ny fikomian’i aSouth Carolina ka hiteraka ny fahafatesana sy ny fahorian’ny olona maro;

2 Ary ho avy ny fotoana izay handatsahana aady amin’ny firenen-drehetra, manomboka eo amin’ity toerana ity.

3 Fa indro, hisaraka sady hanohitra ny Faritany Tavaratra ny Faritany Tatsimo, ary ny Faritany Tatsimo dia hangataka ny fanampian’ireo firenena hafa, dia ny Firenena Britanika araka izay iantsoana azy, ary izy ireo koa dia hangataka ny fanampian’ireo firenena hafa mba hiarovany ny tenany amin’ireo firenena hafa; ary amin’izany dia harotsaka amin’ny firenen-drehetra ny aady.

4 Ary ny zava-hitranga rehefa afaka andro maromaro, dia hitsangana hanohitra ny tompony izay homanina sy halamina ho amin’ny ady ireo aandevo.

5 Ary ny zavatra hitranga koa, dia hanomana ny tenany ny ambiny izay tavela eo amin’ny tany ary ho tezitra izaitsizy tokoa ka hampijaly ny Jentilisa amin’ny fampijaliana mivaivay.

6 Ary dia toy izany no ahitolokoan’ny mponin’ny tany noho ny sabatra sy ny fandatsahan-dra; ary amin’ny alalan’ny bmosary sy ny areti-mandringana ary ny horohoron-tany sy ny kotro-baratra eny an-danitra ary ny tselatra mitsoriaka sady mahajambena koa no anaovana izay hahatsapan’ny mponin’ny tany ny fisafoahana sy ny fahavinirana ary ny dtanam-pamaizan’ilay Andriamanitra tsitoha, ambara-pahatongan’ny fandringanana voatendry hanafoana etanteraka ny firenen-drehetra;

7 Ka ny antsoantson’ny olomasina sy ny an’ny aran’ny olomasina dia hitsahatra tsy hiakatra avy amin’ny tany ka hatrany an-tsofin’ny Tompon’ny bSabaota mba hamaliana ny fahavalony.

8 Koa amitsangàna eo amin’ny toerana masina ianareo ary aoka tsy hoesorina mandra-pahatongan’ny andron’ny Tompo; fa indro avy bfaingana tokoa izany hoy ny Tompo. Amena.