Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 134


Fizarana 134

Filazana ny finoana mikasika ny governemanta sy ireo lalàna amin’ny ankapobeny, nolaniana tamin’ny safidy niraisana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana natao tao Kirtland, Ohio, ny 17 aogositra 1835. Olomasina maro no niara-nivory mba handinika ny votoatin-kevitra natolotra ho an’ny famoahana voalohany ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ho boky. Tamin’izay fotoana izay, dia nomena izao sava ranonando manaraka izao ity filazana ity: “Mba tsy hahazoana mandiso na mandika vilana ny finoantsika mikasika ny governemantan’ny tany sy ireo lalàna amin’ny ankapobeny, dia noheverinay fa mety ny hanoloranay any amin’ny faran’ity boky ity ny hevitray momba izany.”

1–4, Tokony harovan’ny governemanta ny fahalalahan’ny eritreritra sy ny fivavahana; 5–8, Ny olon-drehetra dia tokony hanohana ny governemantany ary haneho fanajana sy fankatoavana ny lalàna; 9–10, Ireo fikambanam-pivavahana dia tsy tokony hanana fahefam-panjakana; 11–12, Manana ny rariny ny olona miaro ny tenany sy ny fananany.

1 Mino isika fa ireo agovernemanta dia napetrak’ Andriamanitra ho tombontsoan’ny olona; ary Izy dia bhampamoaka ny olona amin’ny ataony ao, na amin’ny fanaovana lalàna na amin’ny fampiharana izany, ho soa sy ho filaminan’ny fiaraha-monina.

2 Mino isika fa tsy misy governemanta afaka miaina amim-piadanana raha tsy arafitra sady tanana ho dikaina ny lalàna izay hiantoka ho an’ny olona tsirairay ny fananana afieritreretana bmalalaka, ny zo hanana sy hitantana fananana ary ny dfiarovana ny aina.

3 Mino isika fa ilain’ny governemanta rehetra ny manana ampitondra fanjakana sy mpitsara hampihatra ny lalàm-panjakana; ary izay olona hampihatra ny lalàna araka ny rariny sy ny hitsiny toy izany dia tokony hotadiavina sy hotohanan’ny feon’ny vahoaka raha amin’ny repoblika, na ny sitrapon’ny mpanjaka.

4 Mino isika fa tendrin’ Andriamanitra ny fivavahana; fa ny olona dia tompon’andraikitra Aminy ary Aminy irery ihany amin’ny fampiasana izany, raha tsy hoe mitaona azy hisalovana ny zo sy ny fahafahan’ny hafa ny heviny momba ny fivavahana; tsy mino kosa isika fa ny lalàn’olombelona dia manana zo hitsabaka hamoaka alalàm-pivavahana hangeja ny fieritreretan’ny olona, na handidy izay ho fomba fivavaky ny tsirairay na ny daholobe; fa ny mpitsara tsotra dia tokony hanafay ny meloka fa tsy hanery na oviana na oviana ny eritreritra, hanafay ny hadisoana fa tsy hanafoana na oviana na oviana kosa ny fahalalahan’ny fanahy.

5 Mino isika fa ny olona tsirairay dia manana adidy hanohana sy hanoa ny fitondram-panjakana misy azy avy, raha mbola arovan’ny lalàn’ny fitondram-panjakana toy izany izy amin’ny zony voajanahary tsy azo esorina; ary ny fiodinana sy ny afikomiana dia tsy mendrika ny olom-pirenena voaro toy izany ary tokony hofaizina araka izany; ary ny fitondram-panjakana rehetra dia manana zo hampihatra lalàna izay mifanentana indrindra, araka ny fandanjalanjany, amin’ny fiantohana ny tombontsoam-bahoaka; kanefa ao amin’ny fihazonana ihany koa ny fahalalahan’ny fieritreretana ho masina.

6 Mino isika fa ny olona tsirairay dia tokony hohajaina eo amin’ny andraikiny, toraka izany koa ireo mpanapaka sy mpitsara izay napetraka ho fiarovana ny tsy manan-tsiny ary ho famaizana ny meloka; ary ny alalàna dia tokony hohajaina sy hankatoavin’olombelona rehetra, fa raha tsy eo ny lalàna dia ho resin’ny fikorontanana sy ny fampihorohoroana ny fiadanana sy ny firindrana; satria ny lalàn’olombelona dia niniana natao mba handaminana ny tombontsoantsika, na olona na firenena, eo amin’ny olona samy olona; fa ny lalàn’ Andriamanitra kosa, izay manoritsoritra ireo fitsipika momba ny raharaha ara-panahy, dia ho an’ny finoana sy ny fiderana, dia lalàna roa izay samy hamalian’ny olona ny Mpanao azy.

7 Mino isika fa ireo mpanapaka, fanjakana ary ny governemanta dia manana zo sy voatery hampihatra ny lalàna ho fiarovana ny olom-pirenena rehetra amin’ny fiainany malalaka ny finoany ara-pivavahana; fa mino kosa isika, fa araka ny hitsiny, dia tsy manana zo izy ireo hanaisotra izany tombontsoa izany amin’ny olom-pirenena, na handrara azy amin’ny heviny raha tany ka mbola asehony ny fiheverana sy ny fanajana ny lalàna, ary tsy manaporofo fikomiana na fiokoana ny heviny ara-pinoana.

8 Mino isika fa ny fahavitana heloka dia tokony ahofaizina araka ny toetry ny heloka; fa ny vonoana olona, ny fivadihana, ny halatra, ny hala-botry ary ny fandravana ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny sy amin’ny lafiny rehetra, dia tokony hofaizina, araka ny fahasarotany sy ny fitaoman’ilay heloka ny olona hanao ratsy amin’ny alalan’ny lalàn’ilay governementa izay nahavitana an’ilay heloka; ary hitandroana ny filaminam-bahoaka sy ny fandriampahalemana, ny olona rehetra dia tokony hisikim-ponitra ary hampiasa ny fahaizany hitondrana ireo mpandika ny lalàna tsara ho amin’ny famaizana.

9 Tsy mino isika fa rariny ny mampifangaro ny fitaoman’ny fivavahana amin’ny fitondram-panjakana tsotra, ka amin’izany ny fikambanam-pivavahana iray dia voakolokolo raha ny iray hafa kosa voasakantsakana amin’ny tombontsoany ara-panahy, ka lavina amin’ny mpikambana tsirairay ny zo maha-olom-pirenana azy.

10 Mino isika fa ireo fikambanam-pivavahana rehetra dia manana zo hanitsy ny mpikambana ao aminy noho ny fitondran-tenany tsy mendrika, araka ny fitsipi-pitondran-tenan’ny fikambanana toy izany, raha toa ka mianina amin’ny zo maha-mpikambana sy ny toerana tsara eo imason’ Andriamanitra ny fanitsiana toy izany; nefa tsy mino isika fa ny fikambanam-pivavahana dia manana fahefana hitsara ny olona momba ny zony amin’ny fananany na amin’ny ainy, ka haka aminy ny fananan’ity izao tontolo izao ity, na hamela ny ainy na ny ratsambatany hotandindomin-doza, na hampihatra famaizana ny vatana aminy. Ny hany azon’ny fikambanana hatao dia ny amanala azy tsy ho mpikambana na ny manaisotra aminy ny zo maha-mpikambana.

11 Mino isika fa tokony hiantso ny lalàm-panjakana ny olona ho fanarenana ny hadisoana sy ny tsy fahamarinana rehetra, ao amin’izay misy fanararaotana ny tena na ny zo amin’ny fananana, na misy fanalam-baraka, dia lalàna izay misy mba hiarovana amin’ny toy izany; nefa mino isika fa ny olona dia manana ny marina rehefa miaro ny tenany, ny namany ary ny fananany sy ny governemantany amin’ny fanafihana sy ny fanitsakitsahan-jo tsy ara-dalàna ataon’ny olona amin’ny fotoan-tsarotra izay tsy ahafahana miantehitra avy hatrany amin’ny lalàna mba hila famonjena.

12 Mino isika fa rariny ny ahitoriana ny filazantsara amin’ireo firenena ety an-tany ary ny hampitandremana ny marina mba hiaro ny tenany amin’ny fahalovan’izao tontolo izao; tsy mino kosa isika fa rariny ny hitsabahana amin’ny raharahan’andevo, na ny mitory filazantsara aminy na ny manao batisa azy mifanohitra amin’ny sitrapo sy ny fanirian’ny tompony, na ny mifangaroharo aminy na ny mitaona azy farafahakeliny, ka hahatonga azy ho tsy faly amin’ny toerana misy azy eo amin’izao fiainana izao sady hampahita loza ny fiainan’olona; ny fitsabahana toy izany dia inoantsika ho tsy araka ny lalàna sy tsy rariny ary mampidi-doza ho an’ny fandriampahaleman’ny governemanta izay mamela ny olona hotanana ao amin’ny fanandevozana.