Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 111


Fizarana 111

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Salem, Massachusetts, ny 6 aogositra 1836. Nidiran-trosa mavesatra ireo mpitondra ny Fiangonana tamin’io fotoana io noho ireo raharahany tao amin’ny asa fanompoana. Noho ny fandrenesana fa betsaka ny vola ho azon’izy ireo any Salema, dia niainga avy tao Kirtland, Ohio, ny Mpaminany, i Sidney Rigdon, i Hyrum Smith ary i Oliver Cowdery ka nandeha nankany hanadihady io filazana io sady hitory ny filazantsara. Namita raharaham-piangonana maro ireo rahalahy ary nanao asa fitoriana bebe ihany. Rehefa hita niharihary fa tsy hisy vola ho azo, dia niverina tany Kirtland izy ireo. Hita taratra eo amin’ny fomba filazana ity fanambarana ity ny maro tamin’ireo lafiny nisongadina teo amin’ny ara-tantara.

1–5, Ny Tompo no mikarakara izay ilain’ireo mpanompony eo amin’ny fiainany; 6–11, Hitondra an’i Ziona amin’ny famindram-po Izy ary handrindra ny zava-drehetra ho tombontsoan’ireo mpanompony.

1 Izaho, Tompo Andriamanitrareo dia tsy sosotra amin’ny nanaovanareo ity dia ity na dia eo aza ny hadalanareo.

2 Izaho dia manana rakitsoa betsaka ao amin’ity tanàna ity ho anareo, ho tombotsoan’i Ziona sy ny olona maro ao amin’ity tanàna ity, izay hangoniko amin’ny alalanareo amin’ny fotoana mahamety izany ho tombontsoan’i Ziona.

3 Koa ilaina ny tokony hifankalalanareo amin’ny olona ao amin’ity tanàna ity, araka izay hitarihana anareo sy araka izay homena anareo.

4 Ary ny zavatra hitranga, amin’ny fotoana mahamety izany, dia hatolotro ho eo an-tananareo ity tanàna ity ka hanan-kery aminy ianareo hany ka tsy ho hitany ny drafitra miafinareo; ary ny hareny mikasika ny volamena sy ny volafotsy dia ho anareo.

5 Aza manahy ny amin’ny atrosanareo fa homeko hery handoavana izany ianareo.

6 Aza manahy ny amin’i Ziona fa hoentiko amin’ny famindram-po izy.

7 Mitoera eo amin’ity toerana ity sy eo amin’ny faritra manodidina;

8 Ary ny toerana izay sitrako hitoeranareo indrindra dia hampafantarina anareo amin’ny alalan’ny afiadanako sy ny herin’ny Fanahiko izay hikoriana ao anatinareo.

9 Ity toerana ity dia mety ho azonareo amin’ny alalan’ny fanofàna. Ary hadihadiho fatratra tokoa ny momba ireo mponina tranainy kokoa sady mpanorina ity tanàna ity.

10 Fa misy rakitsoa mihoatra ny anankiray ao amin’ity tanàna ity ho anareo.

11 Koa ahendre tahaka ny menarana ianareo kanefa tsy misy fahotana; dia harindrako ny zavatra rehetra ho btombontsoanareo, haingana araka izay ahaizanareo mandray azy ireny. Amena.