Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136


Fizarana 136

Ny teny sy ny sitrapon’ny Tompo nomena tamin’ny alalan’ny Filoha Brigham Young tao Winter Quarters, ny tobin’i Isiraely, tao amin’ny tanin’ny Omaha, tamin’ny ilany andrefana amin’ny Reniranon’i Missouri, akaikin’i Council Bluffs, Iowa.

1–16, Hazavaina ny fomba handaminana ny tobin’i Isiraely amin’ny diany miankandrefana; 17–27, Didina ireo Olomasina hiaina araka ireo fitsipika maro ao amin’ny filazantsara; 28–33, Tokony hihira, handihy, hivavaka ary hianatra fahendrena ireo Olomasina; 34–42, Voavono ireo mpaminany mba ho azo omem-boninahitra ary koa mba ho azo helohina ny olon-dratsy.

1 Ny Teny sy ny Sitrapon’ny Tompo momba ny Tobin’i Isiraely amin’ireo fandehanany miankandrefana:

2 Aoka ny olon-drehetra ao aamin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo izay miara-mandeha aminy halamin’ny ho andiany, miaraka amin’ireo fanekena sy fampanantenana ny hitandrina ireo didy sy fitsipika rehetra an’ny Tompo Andriamanitsika.

3 Aoka ireo andiany halamina ho kapitenin’ny azato, kapitenin’ny dimampolo ary kapitenin’ny folo, ka filoha iray sy mpanolotsaina roa no mitarika azy, eo ambany fahefan’ny bApôstôly Roa ambin’ny folo.

4 Ary izao no ho afanekentsika—fa isika dia bhandeha araka ny dôrdônansy rehetra an’ny Tompo.

5 Aoka ny andiany tsirairay hamatsy ny tenany araka izay tratra amin’ny biby mpitarika rehetra, ny sarety, ny vatsy, ny fitafiana, ary ireo zavatra ilaina hafa ho amin’ny dia.

6 Rehefa voalamina ireo andiany, dia aoka izy ireo hifofotra amin’ny heriny ka hanomana ireo izay tokony hijanona.

7 Aoka ny andiany tsirairay, miaraka amin’ny kapiteniny sy ny filohany avy, hanapaka ny isan’ireo izay afaka mandeha amin’ny lohataona manaraka; mifidiana ka ataovy ampy ny isan’ireo lehilahy matanjaka sy za-draharaha mba hitondra ireo biby mpitarika masomboly ary fitaovam-pambolena, mba handeha toy ny mpisava lalana ka hanomana ny famafazam-boa amin’ny lohataona.

8 Aoka ny andiany tsirairay hitondra zara mitovy, araka ny anjara fananany avy, amin’ny fiahiana ny amahantra, ny bmananotena, ny dkamboty ary ny fianakavian’ireo izay efa lasa miaramila, ka ny hiakan’ny mananotena sy ny kamboty dia tsy ho tonga eo an-tsofin’ny Tompo hiampanga ity vahoaka ity.

9 Aoka ny andiany tsirairay hanomana trano sy saha hambolena voa, ho an’ireo izay hijanona aorian’ity vanim-potoana ity; ary izany no sitrapon’ny Tompo momba ny vahoakany.

10 Aoka ny olona tsirairay hampiasa ny fitaomany rehetra sy ny fananany hamindrana ity vahoaka ity hankamin’ny toerana izay hampiorenan’ny Tompo ny atsatòkan’i Ziona.

11 Ary raha ataonareo amin’ny fo madio izany, amin’ny fahatokiana rehetra, dia ahotahina ianareo; hotahina ianareo amin’ny biby fiompinareo, na madinika izany na vaventy, ary amin’ny sahanareo sy amin’ny tranonareo ary amin’ny fianakavianareo.

12 Aoka ny mpanompoko isany: Ezra T. Benson sy Erastus Snow hanangana andiany.

13 Ary aoka ny mpanompoko isany Orson Pratt sy Wilford Woodruff hanangana andiany.

14 Ary aoka koa ny mpanompoko isany Amasa Lyman sy George A. Smith hanangana andiany.

15 Ary hanendry ireo filoha sy kapitenin’ny zato ary ny an’ny dimampolo sy ny an’ny folo.

16 Ary aoka ireo mpanompoko, izay efa voatendry handeha sy hampianatra izany sitrapoko izany amin’ny olomasina, mba ho vonona ka handeha mankamin’ny tanin’ny fandriampahalemana.

17 Mandehana ataovy izay efa nolazaiko anareo ary aza matahotra ny fahavalonareo; fa tsy hanana hery hisakanana ny asako izy.

18 aHavotana i Ziona amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

19 Ary raha misy olona mikatsaka ny hanalehibe ny tenany ary tsy mikatsaka ny atorohevitro, dia tsy hanana hery izy ary haharihary ny hadalany.

20 Mitadiava ianareo; ary atandremo avokoa ireo fifanomezan-toky nifanaovanareo; ary aza bmitsiriritra izay an’ny rahalahinareo.

21 aTandremo ny tenanareo amin’ny ratsy amin’ny fanononana foana ny anaran’ny Tompo, fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo, dia Ilay bAndriamanitry ny rainareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy ny an’i Isaka ary ny an’i Jakoba.

22 aIzaho no Izy izay nitondra ny zanak’i Isiraely nivoaka ny tany Egypta; ary ny sandriko dia efa mihinjitra amin’ny andro farany mba bhamonjy an’i Isiraely oloko.

23 Atsaharo ny afifandiranareo; atsaharo ny mifampiteny bratsy.

24 Atsaharo ny afimamoanareo; ary aoka ny teninareo hikendry ny bfifampiorenana.

25 Raha mindrana amin’ny namanao ianao dia hamerina izay efa anindraminao; ary raha tsy afaka mamerina ianao dia mandehana avy hatrany miteny amin’ny namanao fandrao hanameloka anao izy.

26 Raha hitanao izay efa anoverezin’ny rahalahinao, dia hazoto hikaroka ianao mandra-pamerinao izany aminy indray.

27 Ianao dia ahazoto amin’ny fitsimbinana izay anananao, mba hahatonga anao ho bmpitantan-draharaha hendry; fa fanomezana maimaim-poana avy amin’ny Tompo Andriamanitrao izany, ary ianao no mpitantan-draharahany.

28 Raha faly ianao dia miderà ny Tompo amin’ny afihirana, amin’ny mozika, amin’ny fandihizana ary amin’ny bvavaka fiderana sy ny dfanateran-tsaotra.

29 Raha afeno alahelo ianao dia miantsoa ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fitalahoana, mba ho bfeno hafaliana ny fanahinao.

30 Aza matahotra ny fahavalonao fa eo an-tanako izy, ary Izaho hanao aminy araka izay sitrako.

31 Tsy maintsy asedraina amin’ny zava-drehetra ny vahoakako mba ho voaomana izy ny handray ny bvoninahitra izay ananako ho azy, dia ny voninahitr’i Ziona; ary izay tsy hizaka dfamaizana dia tsy mendrika ny fanjakako.

32 Aoka izay tsy manam-pahalalana hianatra afahendrena amin’ny bfanetrena ny tenany sy ny fiantsoana ny Tompo Andriamaniny, mba ho azo ahiratra ny masony hahitany ary sokafana ny sofiny handrenesany;

33 Fa ny aFanahiko dia alefa any amin’izao tontolo izao hanazava ireo manetry tena sy manenina, ary ho fanamelohana ny tsy manana an’ Andriamanitra.

34 Ireo rahalahinareo dia efa nitsipaka anareo sy ny tenivavolombelonareo, na dia ny firenena aza dia efa anandroaka anareo hiala;

35 Ary tonga ankehitriny ny andron’ny antambony, dia ireo andron’ny alahelo, tahaka ny vehivavy izay mihetsi-jaza; ary ho lehibe ny alahelony raha tsy mibebaka haingana izy, eny, tena faingana tokoa.

36 Fa novonoiny ireo mpaminany sy ireo izay nirahina tany aminy; ary efa nalatsany ny ra tsy manan-tsiny izay miantso avy ao amin’ny tany miampanga azy.

37 Koa aza talanjona amin’ireny zavatra ireny fa tsy mbola amadio ianareo; tsy mbola mahatanty ny voninahitro ianareo; saingy hahita izany ianareo raha mahatoky amin’ny fitandremana ny teniko rehetra izay efa bnomeko anareo, hatramin’ny andron’i Adama ka hatramin’i Abrahama, hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Mosesy, hatramin’i Mosesy ka hatramin’i Jesoa sy ny apostoliny, ary hatramin’i Jesoa sy ny apôstôliny ka hatramin’i Joseph Smith, izay nantsoiko tamin’ny alalan’ireo danjeliko, ireo mpanompoko mpiahy, ary tamin’ny alalan’ny feoko izay nivoaka avy tany an-danitra, mba hamoaka ny asako;

38 Dia fototra izay nalatsany, ary nahatoky izy; ary nalaiko ho any Amiko izy.

39 Maro no efa talanjona noho ny fahafatesany; saingy nilaina ny ahamehezany ny btenivavolombelony amin’ny drany, mba ho azo omem-boninahitra izy ary ho azo helohina ny olon-dratsy.

40 Tsy efa nanafaka anareo tamin’ny afahavalonareo va Aho ka namela tamin’izany vavolombelona iray ho an’ny anarako?

41 Koa mihainoa ianareo ankehitriny, Ry vahoakan’ny afiangonako ô; ary ianareo loholona miaraha-mihaino; efa noraisinareo ny bfanjakako.

42 Mazotoa mitandrina ny didiko rehetra fandrao hianjady aminareo ny famaizana, ka ho levona ny finoanareo ary handresy anareo ny fahavalonareo. Izay aloha ny amin’izao fotoana izao. Amena dia Amena.