Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127


Fizarana 127

Epistily avy amin’i Joseph Smith Mpaminany ho an’ireo Olomasin’ny Andro Farany tao Nauvoo, Illinois, mirakitra ireo sori-dalana momba ny batisa ho an’ny maty, mitondra ny datin’ny 1 septambra 1842 tao Nauvoo.

1–4, Nirehareha ny amin’ny fanenjehana sy ny fahoriana i Joseph Smith; 5–12, Tsy maintsy tanana ireo rakitsoratra momba ny batisa ho an’ny maty.

1 Koa satria efa nambaran’ny Tompo ahy fa ireo fahavaloko, na ao Missouri na ato amin’ity Faritany ity, dia eo am-panenjehana ahy indray; ary satria manenjika ahy tsy amin’ny aantony izy ireo ary tsy manana izay aloka na endriky ny fahamarinana na ny zo faran’izay bitika indrindra hiandaniana amin’ny fampidirany ny fitoriany ahy; koa satria ny filazany dia mifototra avokoa amin’ny lainga faran’izay maizina indrindra, dia noheveriko fa mety ary fahendrena amiko ny mandao ity toerana ity mandritra ny fotoana fohy ho fitandroako ny aiko sy ny ain’ity vahoaka ity. Tiako holazaina aminareo rehetra izay manan-draharaha amiko, fa ny raharahako dia efa napetrako tamin’ireo mpitantan-draharaha sy mpitantsoratra izay hampandeha faingana sy araka ny tokony ho izy ny raharaha rehetra ary hanao izay hanilihana ara-potoana ny trosako rehetra, amin’ny alalan’ny fanjifàna fananana, na amin’ny fomba hafa, araka izay takin’ny toe-javatra na araka izay mety ho fisehoan-javatra. Rehefa reko fa efa misinda tanteraka ny tafiotra, dia hiverina aminareo indray aho.

2 Ary raha momba ny aloza iantsoana ahy hodiaviko, dia toa zava-bitika amiko ihany izany, satria zary zavatra fahitako nandritra ny androm-piainako rehetra ny bfialonana sy ny fisafoahan’ny olona; ary izay mahatonga izany dia toa mistery afa-tsy ny hoe: izaho dia efa dnatokana hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao ho amin’ny tanjona tsara na ratsy, araka izay mety hofidinareo hiantsoana izany. Aoka ianareo no hitsara. Andriamanitra dia mahalala ireo zavatra rehetra ireo, na tsara izany na ratsy. Fa na dia eo aza izany, dia ny rano lalina no mahazatra ahy ilomanosana. Zary toetra raiki-tampisaka tamiko izany; dia te hirehareha ny amin’ny efahoriana toa an’i Paoly aho; fa hatramin’izao andro izao, dia ny Andriamanitr’ireo razako no efa nanafaka ahy tamin’izy rehetra ary hanafaka ahy hatrizao; fa indro, ka jereo, handresy ny fahavaloko rehetra aho, fa ny Tompo no efa niteny izany.

3 Koa aoka ny olomasina rehetra hiravoravo sy ho faly fatratra tokoa; fa aAndriamanitr’i Isiraely no Andriamaniny, ary Izy dia hizara valisoa marina eo ambonin’ny lohan’ireo mpampahory rehetra azy ireo.

4 Ary ankoatra izany, dia toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: Aoka ny asan’ny atempoliko sy ny asa rehetra izay efa notendreko ho anareo hotohizana fa tsy hatsahatra; ary aoka ny bfahazotoanareo sy ny fikirizanareo ary ny faharetanareo sy ny asanareo hitombo avo roa heny, dia tsy hamery mihitsy ny valisoanareo ianareo, hoy ny Tompon’ny Maro. Ary raha denjehiny ianareo, dia toy izany no nanenjehany ireo mpaminany sy olo-marina izay talohanareo. Ho an’izany rehetra izany dia misy valisoa any an-danitra.

5 Ary ankoatra izany, dia omeko anareo ny teny momba ny abatisa ho an’ny bmaty eo aminareo.

6 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo momba ny maty eo aminareo: Rehefa misy eo aminareo aatao batisa ho an’ny maty, dia aoka hisy bmpitamboky, ary aoka izy hanatri-maso ny batisanareo; aoka izy hihaino amin’ny sofiny mba hahazoany mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana, hoy ny Tompo;

7 Ka izay rehetra ao anatin’ny rakitsoratrareo dia ho azo araketina any an-danitra; na inona na inona bfehezinareo ety an-tany dia ho azo fehezina any an-danitra; na inona na inona vahanareo ety an-tany dia ho azo vahana any an-danitra;

8 Fa Izaho dia efa madiva ny ahamerina indray ety an-tany zavatra maro mikasika ny bfisoronana, hoy ny Tompon’ny Maro.

9 Ary ankoatra izany, dia aoka ny arakitsoratra rehetra halamina mba ho azo apetraka ao amin’ny fitehirizan’ny tempoliko masina, mba hotanana ho fahatsiarovana hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, hoy ny Tompon’ny Maro.

10 Te hilaza amin’ny olomasina rehetra aho fa niriko, tamin’ny faniriana lehibe fatratra tokoa, ny handaha-teny aminy momba ny batisa ho an’ny maty avy eo amin’ny polipitra amin’ny sabata manaraka. Nefa noho ny tsy fahafahako manao izany, dia hosoratako ombieny ombieny ny tenin’ny Tompo momba izany zavatra izany, ary koa ireo zavatra hafa maro ary halefako aminareo an-taratasy izany.

11 Ankehitriny dia mamarana ny taratasiko aho amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fananako fotoana misimisy kokoa; fa efa miandry kendry tohina ny fahavalo ary araka ny tenin’ny Mpamonjy hoe: “avy ny aprintsin’izao tontolo izao nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy.”

12 Indro ny vavaka ataoko amin’ Andriamanitra dia ny hahazoana mamonjy anareo rehetra. Ary izaho dia misora-tena eto ambany ho mpanomponareo ao amin’ny Tompo, mpaminany ary ampahitan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Joseph Smith.