Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94


Fizarana 94

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 2 aogositra 1833. Notendrena ho kômitin’ny fanorenana Fiangonana i Hyrum Smith, i Reynolds Cahoon ary i Jared Carter.

1–9, Fanomezan’ny Tompo ny didy momba ny fananganana ny trano ho an’ny asan’ny Fiadidiana; 10–12, Tokony haorina ny trano printy; 13–17, Voatendry ny lova sasantsasany.

1 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa ry asakaizako, didy no omeko anareo hanombohanareo ny asa ho fanajariana sy fanomanana ny fiantombohan’ny fanorenana ny tanànan’ny btsatòkan’i Ziona eto amin’ny tanin’i Kirtland, manomboka eto amin’ny tranoko.

2 Ary indro, izany dia tsy maintsy atao araka ny atoromarika izay efa nomeko anareo.

3 Ary aoka ny faritra voalohany amin’ny atsimo hatokana ho Ahy, ho fanorenana ny trano ho an’ny fiadidiana, ho an’ny asan’ny fiadidiana, hahazoana fanambarana ary ho an’ny asa fanompoan’ny afiadidiana amin’ny zava-drehetra mikasika ny fiangonana sy ny fanjakana.

4 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho valo ambin’ny folo metatra sy dimy ambin’ny folo ny sakany ary iraika amby roapolo metatra sy dimy amby efapolo ny lavany hanorenanareo izany ao amin’ny kianja anatiny.

5 Ary hisy rihana ambany sy rihana ambony, araka ny toromarika izay homena anareo any aoriana.

6 Ary izany dia hatokana ho an’ny Tompo, hatrany amin’ny fotony, araka ny lamin’ny fisoronana araka ny toromarika izay homena anareo any aoriana.

7 Ary izany dia hatokana manontolo ho an’ny Tompo, ho an’ny asan’ny fiadidiana.

8 Ary tsy havelanareo hiditra ao ny zavatra rehetra izay atsy madio; ary ho ao ny bvoninahitro, ary hanatrika ao Aho.

9 Saingy raha misy zavatra atsy madio miditra ao, dia tsy ho ao ny voninahitro; ary tsy ho ao ny fanatrehako.

10 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, ny faritra faharoa amin’ny atsimo dia hatokana ho Ahy ho fanorenana trano ho Ahy, ho an’ny asa afanontana printy ny bfandikana ny soratro masina ary ny zavatra rehetra na inona na inona ka handidiako anareo.

11 Ka ny sakany dia ho valo ambin’ny folo metatra sy dimy ambin’ny folo ary ny lavany dia ho iraika amby roapolo metatra sy dimy amby efapolo ao amin’ny kianja anatiny; ary hisy rihana ambany sy ambony izany.

12 Ary izany trano izany dia hatokana manontolo ho an’ny Tompo, hatrany amin’ny fotony, ho an’ny asa fanontana printy, amin’ny zavatra rehetra na inona na inona handidiako anareo, mba ho masina, tsy ho voaloto, araka ny toromarika izay homena anareo amin’ny zava-drehetra.

13 Ary eo amin’ny faritra fahatelo no handraisan’i Hyrum Smith mpanompoko ny lovany.

14 Ary eo amin’ny faritra voalohany sy faharoa amin’ny avaratra no handraisan’ny mpanompoko isany Reynolds Cahoon sy i Jared Carter ny lovany—

15 Mba hahazoany manao ny asa izay efa nanendreko azy ireo, ho komity hanorina ireo tranoko, araka ny didy izay efa nomeko Izaho Tompo Andriamanitra anareo.

16 Tsy haorina ireo trano roa ireo raha tsy omeko anareo ny didy momba azy ireo.

17 Ary ankehitriny, dia tsy omeko misimisy kokoa ianareo amin’izao fotoana izao. Amena.