Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 96


Fizarana 96

Fanambarana nomena tamin’ny 4 jona 1833 tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany izay nampiseho ny fandaminana ny tanàna na ny tsatòkan’i Ziona tao Kirtland mba ho fakan-tahaka ho an’ny Olomasin’i Kirtland. Tamin’ny fihaonamben’ny mpisorona avo izany, ary ny lohahevi-dehibe nobanjinina dia ny fizakana ny tany sasantsasany fantatra amin’ny hoe ny toeram-pambolena amam-piompian’i French, izay fananan’ny Fiangonana tao akaikin’i Kirtland. Noho ny fihaonambe tsy afaka nifanaraka ny amin’izay tokony hiandraikitra ilay toeram-pambolena sy fiompiana, dia nifanaraka ny rehetra fa hanontany ny Tompo ny amin’ilay raharaha.

1, Hohamafisina ny tsatòkan’i Ziona ao Kirtland; 2–5, Fizaran’ny eveka ny lova ho an’ireo Olomasina; 6–9, Tokony ho mpikambana ao amin’ny lamina miray i John Johnson.

1 Indro, lazaiko aminareo, izao no fahendrena izay ahazoanareo mahafantatra ny fomba hatao momba ity raharaha ity, fa ilaina Amiko ny tokony hanamafisana ity atsatòka izay efa natsatoko ho tanjak’i Ziona ity.

2 Koa aoka i Newel K. Whitney mpanompoko hiandraikitra ny toerana izay voalazanareo, izay kasaiko hanorenana ny tranoko masina.

3 Ary ankoatra izany, dia aoka izany hozaraina ho faritra araka ny fahendrena, araka izay hotapahinareo amin’ny fivorianareo, ho tombontsoan’ireo izay mitady lova.

4 Koa ezaho ny hanaovanareo ity raharaha ity sy ny ampahany izay ilaina mba hanisy soa ny alamiko, mba ho tanjona ny fitondrana ny teniko any amin’ny zanak’olombelona.

5 Fa indro, lazaiko aminareo marina tokoa, izao no zavatra tena ilaina indrindra Amiko dia ny handehanan’ny teniko any amin’ny zanak’olombelona mba hanalefaka ny fon’ny zanak’olombelona ho tombontsoanareo. Izany tokoa. Amena.

6 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, sady fahendrena no ilaina Amiko, fa i John Johnson izay efa nekeko ny fanatiny sy izay efa reko ny fivavany, izay izy no omeko ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay raha mitandrina ny didiko hatrizao—

7 Satria izy dia taranak’i aJosefa sy mpandray anjara amin’ireo fitahian’ny fampanantenana natao tamin’ny razany—

8 Lazaiko aminao marina tokoa, ilaina Amiko ny hahatonga azy ho mpikambana amin’ny lamina, hahazoany manampy amin’ny fitondrana ny teniko ho any amin’ny zanak’olombelona.

9 Koa ianareo dia hanokana azy ho amin’izany fitahiana izany, ary hotadiaviny fatratra ny hanaisotra ny olana mitambabe amin’ny trano izay voalazanareo, mba hahazoany mitoetra ao. Izany tokoa. Amena.