Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 12


Fizarana 12

Fanambarana nomena an’i Joseph Knight rainy, tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny volana mey 1829. Ninoan’i Joseph Knight ny filazan’i Joseph Smith momba ny fananany ny takelaky ny Bokin’i Môrmôna sy ny asa fandikana izay teo an-dalam-pitohizana tamin’izay, ary imbetsaka izy no efa nanome an’i Joseph Smith sy ny mapndika sorany fanampiana mivantana izay nahafan’izy ireo nanohy ny fandikan-teny. Noho ny fangatahan’i Joseph Knight dia nanadina ny Tompo ny Mpaminany ary nandray ny fanambarana.

1–6, Handray famonjena ireo mpiasa ao amin’ny tanimboaloboka; 7–9, Izay rehetra maniry sy afa-manao dia afaka manampy amin’ny asan’ny Tompo.

1 aAsa lehibe sy mahatalanjona no efa akaiky hitranga eo anivon’ny zanak’olombelona.

2 Indro, Izaho no Andriamanitra; mampandria sofina amin’ny teniko izay mailaka sy mahery, maranitra kokoa noho ny sabatra roa lela ka manasaraka ny famavany sy ny tsoka; koa mampandria sofina amin’ny teniko.

3 Indro, efa masaka sahady ny eny an-tsaha mba hojinjaina; koa na zovy na zovy no maniry hijinja, dia aoka izy handroso ny antsimbilony amin’ny heriny ary hijinja raha mbola maharitra ny andro, mba hahazoany mirakitra famonjena maharitra mandrakizay ho an’ny fanahiny ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

4 Eny, na zovy na zovy no handroso ny antsimbilony sy hijinja, dia izy no antsoin’ Andriamanitra.

5 Koa raha mangataka Amiko ianareo, dia hahazo; raha mandondona ianareo dia hovohana.

6 Ankehitriny, satria efa nangataka ianareo dia indro lazaiko aminareo, tandremo ny didiko ary katsaho ny hampijoro sy hampiorina ny foto-kevitr’i Ziona.

7 Indro, miteny aminao Aho, ary koa amin’ireo rehetra izay manam-paniriana ny hanomboka sy hampiorina ity asa ity;

8 Ary tsy misy afaka manampy amin’ity asa ity, raha tsy amanetry tena izy ary feno bfitiavana, manana dfinoana, efanantenana ary ffiantrana, mahonon-tena amin’ny zava-drehetra na inona na inona hankinina hotandremany.

9 Indro, Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao, izay miteny ireto teny ireto, koa mampandria sofina araka izay tratranao, dia antsoina ianao amin’izay. Amena.