Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61


Fizarana 61

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany teo amoron’ny Renirano Missouri, teo McIlwaine’s Bend, ny 12 aogositra 1831. Rehefa niverina tamin’ny diany ny Mpaminany sy ireo loholona folo mba hankany Kirtland, dia nitaingin-dakana izy ireo nidina ny Renirano Missouri. Nandalo tamin’ny loza maro izy ireo tamin’ny andro fahatelon’ny diany. Nahita ny mpandringana nitety tamin-kery ny teny ambonin’ny rano tamin’ny fahitana tamin’ny andro antoandro i William W. Phelps loholona.

1–12, Efa nandidy famongorana maro teny ambonin’ny rano ny Tompo; 13–22, Nozonin’i Jaona ny rano ary mitety ny eo amboniny ny mpandringana; 23–29, Manana fahefana handidy ny rano ny sasany; 30–35, Tokony handeha tsiroaroa ny loholona ary hitory ny filazantsara; 36–39, Tokony hiomana ho amin’ny fiavian’ny Zanak’Olona izy ireo.

1 Indro, ary mihainoa ny feon’ilay manana ny ahery rehetra; Ilay hatrizay ka haharitra mandrakizay, dia bAlfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.

2 Indro, izao no lazain’ny Tompo aminareo marina tokoa, ô ianareo ry loholon’ny fiangonako, izay mivory eto amin’ity toerana ity, izay voavela ny fahotanareo ankehitriny, fa Izaho Tompo dia amamela ny fahotana ary bfeno famindram-po amin’ireo izay dmiaiky ny fahotany amin’ny fietren’ny fo;

3 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ilaina ny hisosan’ity andiany manontolo amin’ny loholoko ity faingana eny ambonin’ny rano, raha ny mponiny amin’ny andaniny roa kosa ho faty ao amin’ny tsy finoana.

4 Kanefa dia namela izany Aho mba hahazoanareo mijoro ho vavolombelona; indro, misy loza maro eny ambonin’ny rano ary indrindra indrindra rahatrizay;

5 Fa Izaho Tompo dia efa nandidy loza maro eny ambonin’ny rano tao amin’ny fahatezerako; eny, ary indrindra fa eo amin’ireto rano ireto.

6 Na dia izany aza, dia eo an-tanako ny nofo rehetra, ary izay mahatoky aminareo dia tsy ho faty an-drano.

7 Koa ilaina ny hanefan’i Sidney Gilbert sy i aWilliam W. Phelps mpanompoko haingana ny raharahany sy ny asa fitoriany.

8 Kanefa dia tsy tiako ny hisarahanareo raha tsy efa anofaiziko noho ny fahotanareo rehetra ianareo, mba hahatonga anareo ho iray, mba tsy hahafaty anareo amin’ny bfaharatsiana;

9 Nefa ankehitriny, lazaiko aminareo marina tokoa, ilaina Amiko ny hisarahanareo. Koa aoka ny mpanompoko Sidney Gilbert sy i William W. Phelps haka indray ireo namany teo aloha, ary aoka izy ireo handeha faingana mba hahazoany manefa ny asa fitoriany, ary amin’ny finoana no handreseny;

10 Ary raha mahatoky izy ireo dia hotsimbinina, ary Izaho Tompo dia homba azy ireo.

11 Ary aoka ny ambiny haka izay ilaina amin’ny fitafiana.

12 Aoka i Sidney Gilbert mpanompoko hitondra izay tsy ilaina miaraka aminy, araka izay hifanarahanareo.

13 Ary ankehitriny indro, ho atombontsoanareo no nanomezako anareo bdidy momba ireo zavatra ireo; ary Izaho Tompo dia hifandahatra aminareo tahaka ny tamin’ireo olona tamin’ny andro fahiny.

14 Indro, Izaho Tompo, tany am-piandohana, dia nitahy ny arano; nefa tamin’ny andro farany dia tamin’ny vavan’i Jaona no bnanozonako ny rano.

15 Koa ho avy ny andro izay tsy hahatafandry mandry ny nofo eny ambonin’ny rano.

16 Ary holazaina amin’ny andro ho avy fa tsy misy afaka miakatra ao amin’ny tanin’i Ziona eny ambonin’ny rano, afa-tsy izay mahitsy fo.

17 Ary tahaka ny efa ananozonako, Izaho Tompo, ny tany tany am-piandohana, dia tahaka izany koa no efa nitahiako azy tamin’ny andro farany, amin’ny fotoany, mba hampiasain’ny olomasiko, ka hahazoany maka ny menany.

18 Ary ankehitriny omeko anareo ny didy ka izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra, mba hampitandremanareo ny rahalahinareo momba ireto rano ireto, mba tsy hanaovany ny diany eny amboniny, fandrao ho lefy ny finoany ary ho tratra ao amin’ny fandrika izy;

19 Izaho Tompo no efa nanapaka, ary mitety ny eo amboniny ny mpandringana, ary tsy manafoana ilay fanapahana Aho.

20 Izaho Tompo dia tezitra taminareo omaly, saingy efa afaka ny fahatezerako anio.

21 Koa aoka ireo izay efa noteneniko ny momba azy ireo handeha faingana—dia lazaiko aminareo indray, aoka izy ireo handeha faingana.

22 Ary tsy ahoako rehefa afaka fotoana fohy, na handeha amin’ny rano na amin’ny tany maina izy ireo, raha efainy ny asa fitoriany; aoka izany ho to araka ny ampahafantarana azy ireo izany rahatrizay, araka ny fandanjalanjany.

23 Ary ankehitriny, momba ny mpanompoko isany Sidney Rigdon, Joseph Smith zanany ary i Oliver Cowdery, dia aoka izy ireo tsy hanao intsony ny diany eny ambony rano, afa-tsy eo amin’ny lakan-drano, rehefa mandeha mody; na amin’ny teny hafa, tsy handeha amin’ny rano izy ireo, afa-tsy eo amin’ny lakan-drano.

24 Indro, Izaho Tompo dia efa nanendry lalana iray handehanan’ny olomasiko; ary indro, izao no lalana—dia ny handehanan’izy ireo mandia tany maina rehefa avy mandao ny lakan-drano, satria didina izy ireo handeha ary hiakatra any an-tanin’i Ziona;

25 Ary hanao tahaka ny zanak’i Isiraely izy ireo, ka ahanangana ny lainy eny an-dalana.

26 Ary indro, izany didy izany no homenareo ho an’ny rahalahinareo rehetra.

27 Kanefa ho an’izay omena ahery handidy ny rano, dia omen’ny Fanahy azy ny hahafantatra ny lalany rehetra;

28 Koa aoka izy hanao araka izay andidian’ny Fanahin’ilay Andriamanitra velona azy, na eny ambonin’ny tany na eny ambonin’ny rano, araka izay iriako hatao rahatrizay.

29 Ary omena anareo ny dian’ny olomasina, na ny lalan-kaleha ho an’ny olomasin’ny tobin’ny Tompo.

30 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, ny mpanompoko Sidney Rigdon, Joseph Smith zanany ary Oliver Cowdery dia tsy hanoka-bava amin’ireo fiangonan’ny olon-dratsy, ambara-pahatongan’izy ireo ao Cincinnati;

31 Ary eo amin’io toerana io, dia hanandratra ny feony amin’ Andriamanitra izy ireo hanohitra ity vahoaka ity, eny, amin’ilay mirehitra noho ny faharatsian’izy ireo ny fahatezerany, dia vahoaka izay efa saika amasaka ho amin’ny famongorana.

32 Ary avy eo amin’io toerana io, dia aoka izy ireo handeha ho any amin’ny fiangonan’ireo rahalahiny, fa ny asany ankehitriny dia ilaina bebe kokoa any anivon’izy ireo noho ny any anivon’ireo fiangonan’ny olon-dratsy.

33 Ary ankehitriny momba ny ambiny, aoka izy ireo handeha sy ahanambara ny teny any anivon’ireo fiangonan’ny olon-dratsy, arakaraka izay hanomezana izany;

34 Ary arakaraka ny anaovany izany no aandiovany ny fitafiany, ary ho tsisy pentina eo anoloako izy ireo.

35 Ary aoka izy ireo handeha miaraka, na atsiroaroa, araka izay heveriny fa tsara, saingy aoka i Reynolds Cahoon mpanompoko sy i Samuel H. Smith mpanompoko, izay tena ankasitrahako, tsy hosarahina mandra-piveriny any an-tokantranony, ary izany dia noho ny tanjona hendry ato Amiko.

36 Ary ankehitriny, dia lazaiko marina tokoa, ary izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra, mahereza arankizy madinika; fa eo bafovoanareo Aho ary tsy dnahafoy anareo;

37 Ary satria efa nanetry ny tenanareo teo anoloako ianareo, dia anareo ny fitahian’ny afanjakana.

38 Sikino ny valahanareo ka amiambena sy mahonòna tena, ary miandrandrà ny fiavian’ny Zanak’Olona, fa avy amin’ny ora tsy ampoizinareo Izy.

39 aMivavaha mandrakariva mba tsy hidiranareo amin’ny bfakam-panahy, mba hahatantesanareo ny andron’ny fiaviany, na eo amin’ny fiainana, na ao amin’ny fahafatesana. Izany tokoa. Amena.