Ny soratra masina
Teny fanolorana


Teny fanolorana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia firaketana ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy ireo fanambarana avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy, nomena mba ho fanorenana sy ho fitantanana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’ny andro farany. Na dia mivantana amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aza ny ankabeazan’ireo fizarana, ny hafatra, ny fampitandremana ary ny fanentanana kosa dia natao ho tombontsoan’ny olombelona rehetra ary mirakitra fanasana ny olon-drehetra, na aiza na aiza, hihaino ny feon’i Jesoa Kristy miteny aminy ho an’ny fiadanany ara-nofo sy ho an’ny famonjena azy haharitra mandrakizay.

Ny ankabeazan’ireo fanambarana ao amin’ity firaketana ity dia azo tamin’ny alalan’i Joseph Smith zanany, ilay mpaminany voalohany sady filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo hafa dia navoakan’ny sasany tamin’ny mpandimby azy tao amin’ny Fiadidiana (jereo ny sasin-teny ho an’ny F&F 135, 136 ary 138 ary ny Filazana Ôfisialy 1 sy 2).

Ny boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia anisan’ireo Soratra Masina ankatoavin’ny Fiangonana, miaraka amin’ny Baiboly Masina, ny Bokin’i Môrmôna ary ny Voahangy Lafo Vidy. Miavaka anefa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana noho izy tsy fandikana rakitsoratra tranainy fa nipoitra kosa amin’izao fotoana izao ary nomen’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany nofinidiny ho famerenana indray ny asany masina sy ho fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao andro izao. Ren’ny olona ao amin’ireo fanambarana ny feo malefaka nefa hentitra avy amin’i Jesoa Kristy Tompo, miteny indray amin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana; ary ny asa izay atomboka etoana dia fanomanana ny Fiaviany Fanindroany ho fanatontosana sy ho fanamafisana ny tenin’ny mpaminany masina rehetra hatry ny niandohan’izao tontolo izao.

Teraka tamin’ny 23 desambra 1805 tao Sharon, Fivondronan’i Windsor, Vermont i Joseph Smith zanany. Tamin’ny fahazazany dia nifindra monina tany amin’ny toerana iray izay Manchester amin’izao fotoana izao, tany amin’ny faritra andrefan’i New York izy sy ny fianakaviany. Nandritra ny nonenany tany, ny lohataonan’ny taona 1820, raha efatra ambin’ny folo taona izy, no nahazoany ny fahitany voalohany, ka tamin’izay dia Izy Andriamanitra tenany, Ilay Ray Mandrakizay, sy i Jesoa Kristy Zanany no nitsidika azy. Nolazaina azy tamin’io fahitana io fa ny tena Fiangonan’i Jesoa Kristy, izay efa naorina tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao ary efa niandraikitra ny fahafenoan’ny filazantsara, dia tsy teto an-tany intsony. Nanaraka izany ny fanehoan-javatra hafa avy tamin’ Andriamanitra, ka tamin’izany no nampianaran’ireo anjely maro azy. Naseho azy fa nanana asa manokana hampanaovina azy eto an-tany Andriamanitra ary amin’ny alalany no hamerenana indray eto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Taty aoriana, dia nahavita nandika sy namoaka ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith noho ny fanampian’ Andriamanitra. Nandritra izany fotoana izany, dia natokan’i Jaona Mpanao Batisa ho amin’ny Fisoronana Aharôna izy sy i Oliver Cowdery tamin’ny volana mey 1829 (jereo F&F 13), ary fotoana fohy taorian’izany, dia natokan’ireo Apôstôly fahiny koa, dia i Petera, i Jakoba ary i Jaona, ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka izy ireo (jereo F&F 27:12). Nanaraka izany ireo fanokanana hafa izay nanomezan’i Mosesy, i Elia, i Elià mbamin’ireo mpaminany fahiny maro azy ireo ny fanalahidin’ny fisoronana (jereo F&F 110; 128:18, 21). Ireo fanokanana ireo, raha ny marina, dia famerenana indray amin’ny olona eto an-tany ny fahefan’ Andriamanitra. Tamin’ny 6 aprily 1830, araka ny toromarika avy any an-danitra, dia naorin’i Joseph Smith mpaminany ny Fiangonana, ary dia toy izany no iasan’ny tena Fiangonan’i Jesoa Kristy indray eo anivon’ny olona ho toy ny ivontoerana manam-pahefana hampianatra ny filazantsara sy hitantana ny ôrdônansin’ny famonjena (jereo F&F 20 sy ny Voahangy Lafo Vidy, Joseph Smith—Tantara 1.)

Ho valin’ny vavaka natao no nahazoana ireo fanambarana masina ireo, tamin’ny fotoana nilana izany, ary vokatry ny toe-javatra tena niainana sady nandraisan’ny olona anjara. Nikatsaka ny fitarihan’ Andriamanitra ny Mpaminany sy ireo namany, ary manamarina ireo fanambarana ireo fa noraisiny izany. Hita ao amin’ny fanambarana ny famerenana indray sy ny famelabelarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary ny fanombohana ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana. Aseho koa ao amin’ireo fanambarana ireo ny fifindran’ny Fiangonana niankandrefana, avy tao New York sy Pennsylvania nankany Ohio, Missouri, Illinois ary farany nankany amin’ny Lempona Midadasika ao Amerika andrefana, mbamin’ny tolona nangotraka nataon’ny Olomasina tamin’ny fiezahana hanorina an’i Ziona eto an-tany amin’izao vanim-potoana izao.

Maro amin’ireo fizarana voalohany no ahitana resaka mikasika ny fandikana sy ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna (jereo fizarana 3, 5, 10, 17 ary 19). Maneho ny asan’i Joseph Smith mpaminany teo am-panaovana ny fandikana ny Baiboly araka ny fitaoman’ny fanahy ireo fizarana sasany taty aoriana, ka nandritra izany no nahazoana ny ankamaroan’ireo fizarana misy fotopampianarana lehibe (jereo ohatra ny fizarana 37, 45, 73, 76, 77, 86, 91 ary 132 fa samy manana fifandraisana mivantana amin’ny fandikana ny Baiboly ny tsirairay avy amin’ireo).

Ampahafantarina ao amin’ireo fanambarana ireo ny fotopampianaran’ny filazantsara mbamin’ny fanazavana momba ny votoatin-kevitra toy ny toetry Ny Andriamanitra, ny fiandohan’ny olombelona, ny fisian’i Satana, ny tanjon’ny toetra mety maty, ny ilana ny fankatoavana, ny ilana ny fibebahana, ny fiasan’ny Fanahy Masina, ny ôrdônansy sy ny fiasana izay mikasika ny famonjena, ny ho fiafaran’ny tany, ny ho toe-piainan’ny olona aorian’ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana, ny toetra mandrakizain’ny fifamatorana eo amin’ny fanambadiana ary ny toetra mandrakizain’ny fianakaviana. Aseho toy izany koa ny fivelarana miandalana eo amin’ny rafi-pitantanan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fiantsoana ny eveka, ny Fiadidiana Voalohany, ny Filankevitry ny Roambinifololahy sy ny Fitopololahy ary ny fananganana ireo anjara fanompoana sy kôlejim-piadidiana hafa. Farany, ny tenivavolombelona omena momba an’i Jesoa Kristy—ny maha-Andriamanitra Azy, ny Fiandrianany, ny Fahatanterahany, ny Fitiavany ary ny Herim-panavotany—dia mahatonga ity boky ity hanan-danja lehibe ho an’ny fianakavian’ny olombelona sy “sarobidy ho an’ny Fiangonana mihoatra noho ny haren’ny Tany manontolo” (jereo ny sasin-tenin’ny F&F 70).

Tany am-piandohana, dia noraketin’ireo mpitantsoratr’i Joseph Smith ireo fanambarana, ary nifampizara tamim-pientanentanana ireo tahadika sora-tanana ny mpikamban’ny Fiangonana. Fotoana fohy taorian’izay, dia nadikan’ireo mpitantsoratra tao anaty boky firaketana sora-tanana ireo fanambarana ireo mba hanaovana rakitsoratra maharitra izay nampiasain’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana hanomanana ny fanaovana printy ireo fanambarana. Nitovy ny fijerin’i Joseph sy ireo Olomasina tany am-piandohana ireo fanambarana ireo sy ny Fiangonana: velona, mivoatra ary iharan’ny fanatsarana amin’ny alalan’ireo fanambarana fanampiny. Nanaiky koa izy ireo fa mety nisy fahadisoana tsy nahy nandritra ny fizotry ny fandikana an-tsoratra ireo fanambarana sy ny fanomanana azy ireo mba havoaka ho boky. Noho izany, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray tamin’ny 1831 no nangatahana an’i Joseph Smith mba “hanitsy ireo diso izay mety ho hitany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.”

Rehefa avy naverina nodinihana sy nahitsy ireo fanambarana ireo dia nanomboka nanao printy ny boky iray nantsoina hoe: A Book of Commandments for the Government of the Church of Christ (Boky misy ireo Didy ho fitantanana ny Fiangonan’i Kristy), ireo mpikamban’ny Fiangonana avy tany Missouri, izay nahitana ny maro tamin’ireo fanambaran’ny Mpaminany tany am-piandohana. Nitsahatra anefa io fikasana voalohany hamoaka ho boky ireo fanambarana io rehefa nisy olon-dratsy namotika ny trano printy izay an’ny Olomasina tao Jackson County tamin’ny 20 jolay 1833.

Rehefa nahare ny fahapotehan’ny trano printy tany Missouri dia nanomboka nanao ireo fanomanana hamoaka ho boky ireo fanambarana any Kirtland, Ohio i Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Mba hanitsiana indray ireo diso sy hampahazava ireo teny nampiasaina ary hamantarana ny fivoaran’ny fotopampianarana sy ny rafitry ny Fiangonana, dia narahan’i Joseph Smith maso ny fandrafetana ny lahatsoratr’ireo fanambarana sasany mba havoaka ho boky ny taona 1835 amin’ny lohateny hoe Doctrine and Covenants of the Church of the Latter Day Saints (Fotopampianarana sy Fanekempihavanan’ny Fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany). Nanome lalana ny edisiôna iray hafan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana i Joseph Smith izay navoaka volana vitsy monja taorian’ny naha-maty maritiora ny Mpaminany, tamin’ny 1844.

Nomen’ireo Olomasin’ny Andro Farany lanja lehibe ireo fanambarana ary noraisin’izy ireo ho toy ny hafatra avy amin’ Andriamanitra. Nisy fotoana anankiray tany amin’ny faramparan’ny taona 1831, izay nizaran’ny loholona maro tao amin’ny Fiangonana fijoroana ho vavolombelona lehibe fa efa nijoro ho vavolombelona tamin’ny fanahin’izy ireo ny Tompo ny amin’ny fahamarinan’ireo fanambarana. Navoaka tao amin’ny bokin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nivoaka tamin’ny 1835 izany fijoroana ho vavolombelona izany ka natao hoe ny fijoroana ho vavolombelona an-tsoratra nataon’ireo Apôstôly Roambinifolo:

Tenivavolombelon’ireo
Apôstôly roa ambin’ny folo ny amin’ny fahamarinan’ny
boky Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelon’ny boky misy ny didin’ny Tompo, didy izay nomeny ny Fiangonany tamin’ny alalan’i Joseph Smith zanany, izay notendren’ny feon’ny Fiangonana ho amin’izany tanjona izany:

Noho izany izahay dia vonona hijoro ho vavolombelona amin’ny olombelona rehetra, amin’ny olona tsirairay eto ambonin’ny tany, fa efa vavolombelona nanambara tamin’ny fanahinay ny Tompo, tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina narotsaka taminy, fa nomena tamin’ny fitaoman’ny fanahin’ Andriamanitra ireo didy ireo, ary ahazoan’ny olon-drehetra tombontsoa, ary tena marina tokoa.

Omenay izao tontolo izao ity tenivavolombelona ity, ary ny Tompo no manampy anay; ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray sy ny an’i Jesoa Kristy Zanany no namelana anay hanana ny tombontsoa hitondra ity fanambarana ity ho an’izao tontolo izao, ary ifalianay fatratra tokoa izany, ka ivavahanay mandrakariva ny Tompo mba hahazoan’ny zanak’olombelona tombontsoa izany.

Ireto no anaran’izy Roambinifololahy:

  • Thomas B. Marsh

  • David W. Patten

  • Brigham Young

  • Heber C. Kimball

  • Orson Hyde

  • William E. McLellin

  • Parley P. Pratt

  • Luke S. Johnson

  • William Smith

  • Orson Pratt

  • John F. Boynton

  • Lyman E. Johnson

Tamin’ireo edisiôna nifandimby tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia fanambarana fanampiny maro sy zava-boarakitra maro hafa no natovana arakaraka ny nandraisana azy sy ny nanekena azy tamin’ireo fivoriana mahefa na fihaonamben’ny Fiangonana. Ny edisiôna nivoaka tamin’ny 1876, izay nomanin’ny Loholona Orson Pratt teo ambany fitarihan’i Brigham Young, no nandaharana ireo fanambarana araka ny vanim-potoana ary nampidirana sasin-teny vaovao ahitana fampahafantarana ara-tantara.

Nanomboka tamin’ny taona 1835 dia naiditra koa tao amin’ny fanontana ireo lesona fito mifanarakaraka momba ny foto-pinoana; izany dia nitondra ny lohateny hoe: Lectures on Faith (Lahateny momba ny Finoana). Nomanina ireo mba hampiasaina tao amin’ny Sekolin’ny Mpaminany tao Kirtland, Ohio, nanomboka ny taona 1834 ka hatramin’ny taona 1835. Na dia ahazoana tombontsoa ho an’ny fotopampianarana sy ny fanabeazana aza ireo lahateny ireo, dia nesorina tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana nanomboka tamin’ny fanontana izay nivoaka ny taona 1921, satria tsy nomena na natolotra ho fanambarana ho an’ny Fiangonana iray manontolo ireo.

Tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana edisiôna amin’ny teny Anglisy nivoaka tamin’ny 1981, no sambany nampidirana tahirim-panambarana telo izay vao nampidirina. Izany dia ny fizarana 137 sy 138, izay maneho ireo foto-kevitra lehibe momba ny famonjena ho an’ny maty; ary ny Filazana Ôfisialy 2, izay manambara fa ireo lehilahy rehetra mpikamban’ny Fiangonana izay mendrika dia azo tendrena ho amin’ny fisoronana na inona na inona firazanany sy fihodirany.

Ny edisiôna vaovao tsirairay tamin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia nanitsy fahadisoana teo aloha ary nitondra fampahalalana fanampiny, indrindra ao anatin’ilay ampahany manambara ny tantara ao amin’ny sasin-tenin’ireo fizarana. Ny edisiôna ankehitriny dia nanatsara ny daty sy ny anaran-toerana sasantsasany ary nitondra fanitsiana hafa. Natao ireo fanovana ireo mba hahatonga ny ao anatin’ny boky hifanaraka amin’ny fampahalalana ara-tantara tena marina indrindra. Ny zavatra hafa miavaka hita ao amin’ity edisiôna farany indrindra ity dia ireo sarintany nohavaozina izay mampiseho ireo toerana tena nisongadina nandraisana ireo fanambarana miampy fanatsarana sarin’ireo toerana mana-tantaran’ny Fiangonana, ny soratra masina mifandray, ny sasin-teny, ary ny famintinana ireo lohahevitra. Ireo rehetra ireo dia natao mba hanampiana ny mpamaky hahatakatra sy hifaly amin’ny hafatry ny Tompo araka izay nomena ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ny fampahalalana ho an’ireo sasin-teny dia notsoahina avy tao amin’ny Boky Sora-tanana Mirakitra ny Tantaran’ny Fiangonana sy ny History of the Church (Tantaran’ny Fiangonana) izay efa navoaka (izay samy antsoina ao anatin’ireo sasin-teny hoe tantaran’i Joseph Smith) ary ny Joseph Smith Papers (Taratasin’i Joseph Smith).