Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 53


Fizarana 53

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Algernon Sidney Gilbert tao Kirtand, Ohio, ny 8 jona 1831. Noho ny fangatahan’i Sidney Gilbert, dia nanontanian’ny Mpaminany ny Tompo ny momba ny asa sy ny antso ho an’ny Rahalahy Gilbert ao amin’ny Fiangonana.

1–3, Ny antso sy ny fifidianana an’i Sidney Gilbert ao amin’ny Fiangonana dia ny hatokana ho loholona; 4–7, Tokony hitana ny toeran’ny mpandraharahan’ny eveka koa izy.

1 Indro, lazaiko anao ry Sidney Gilbert mpanompoko, fa efa reko ny fivavakao; ary efa nantsoinao Aho mba hampahafantarin’ny Tompo Andriamanitrao anao ny momba ny antso sy ny afifidianana anao ao amin’ny fiangonana izay efa natsangako Izaho Tompo amin’izao andro farany izao.

2 Indro, Izaho Tompo, izay anohomboana noho ny fahotan’izao tontolo izao, dia manome didy anao, bhahafoizanao izao tontolo izao.

3 Raiso eo aminao ny fanokanako, dia ny ho loholona, mba hitory ny finoana sy ny fibebahana ary ny afamelana ny fahotana araka ny teniko, ary ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny bfametrahan-tanana;

4 Ary koa ny ho ampandraharaha ho an’ity fiangonana ity eo amin’ny toerana izay hotondroin’ny eveka, araka ny didy izay homena rahatrizay.

5 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa, handeha hiaraka amin’ny mpanompoko isany i Joseph Smith zanany sy i Sidney Rigdon ianao.

6 Indro, ireo no ôrdônansy voalohany izay horaisinao; ary ny sisa dia hampahafantarina amin’ny fotoana ho avy araka ny asanao ao amin’ny tanimboliko.

7 Ary ankoatra izany, dia tiako ny hianaranao fa izay amaharitra hatramin’ny farany ihany no hovonjena. Izany tokoa. Amena.