Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 48


Fizarana 48

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 10 martsa 1831. Nanontany ny Tompo ny Mpaminany ny amin’ny fomba tokony harahina eo amin’ny fahazoana tany honenan’ny Olomasina. Zava-dehibe izany noho ny fifindra-monin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana avy any atsinanan’i Etazonia, izay nankatò ny didin’ny Tompo fa izy ireo dia tokony hivondrona ao Ohio (jereo fizarana 37:1–3; 45:64).

1–3, Tokony hifampizara ny taniny amin’ny rahalahiny ireo Olomasina ao Ohio; 4–6, Tokony hividy tany ireo Olomasina, hanorina tanàna ary hanaraka ny torohevitry ny filoha mpiahy azy ireo.

1 Ilaina ny hijanonanareo eo amin’ny toeram-ponenanareo amin’izao fotoana izao, araka izay mahamety izany ho an’ny toe-piainanareo.

2 Ary raha manana tany ianareo dia ahanome amin’izany ho an’ny rahalahy avy any atsinanana;

3 Ary raha tsy manana tany ianareo dia aoka izy ireo hividy eo amin’ireo faritra manodidina ireo amin’izao fotoana izao, araka izay heveriny fa tsara, fa tsy maintsy ilaina ny hananany toerana honenana amin’izao fotoana izao.

4 Tsy maintsy ilaina ny hitehirizanareo ny vola rehetra araka izay tratranareo sy ny hahazoanareo izay rehetra tratry ny herinareo amim-pahamarinana mba hahafahanareo, rahatrizay, amividy tany ho lova; bizany hoe ny tanàna.

5 Tsy mbola hambara ny toerana; fa rehefa tonga ny rahalahinareo avy any atsinanana, dia hotendrena ny alehilahy sasantsasany ary homena azy ireo ny bhahafantatra ny toerana, na aminy no hanambarana izany.

6 Ary hotendrena ireo hividy ny tany sy hanao ny fanombohana ny fandatsahana ny fanorenana ny atanàna; ary amin’izay ianareo dia hanomboka hiangona miaraka amin’ny fianakavianareo, ny lehilahy tsirairay araka ny bfianakaviany avy, araka ny toe-piainany ary araka izay tendren’ny fiadidiana sy ny evekan’ny fiangonana ho azy, araka ny lalàna sy ny didy izay efa noraisinareo ary izay horaisinareo rahatrizay. Izany tokoa. Amena.