Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49


Fizarana 49

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Sidney Rigdon, i Parley P. Pratt ary i Leman Copley tao Kirtland, Ohio, ny 7 mey 1831. Efa nanaiky ny filazantsara i Leman Copley saingy mbola nitana ny sasantsasany tamin’ny fampianaran’ny Shakers (United Society of Believers in Christ’s Second Appearing) [Firaisan’ny Fiarahamonin’ny Mpino ny Fisehoan’i Kristy Fanindroany], izay nisy azy tany aloha. Anisan’ny zavatra inoan’ireo Shakers ny hoe efa nitranga sahady ny Fiavian’i Kristy Fanindroany ary efa niseho tamin’ny endriky ny vehivavy iray atao hoe Ann Lee Izy. Tsy noheverin’izy ireo ho zavatra manan-danja ny batisan’ny rano. Nandà ny fanambadiana izy ireo ary nino ny fiainana ao anatin’ny fitovoana tanteraka. Nandrara ny fihinanan-kena koa ny Shakers sasany. Tamin’ny nanoratana ny sasin-tenin’ity fanambarana ity dia izao no voalazan’ny tantaran’i Joseph Smith: “Mba hahazoana fahalalana feno kokoa momba ilay toe-draharaha, dia nanontany ny Tompo aho ary nandray izao manaraka izao.” Nolavin’ny fanambarana ny sasany amin’ireo fisainana fototra an’ny vondrona Shaker. Nentin’ireo rahalahy voalaza etsy ambony ireo tany amin’ny fiarahamonina Shaker (tao akaikin’i Cleveland, Ohio) ny soson’ilay fanambarana ary novakiany manontolo taminy saingy notsipahina.

1–7, Ny andro sy ora hiavian’i Kristy dia hijanona ho zava-tsy fantatra ambara-piaviny; 8–14, Tsy maintsy mibebaka ny olona, mino ny filazantsara ary mankatò ny ôrdônansy mba hahazo famonjena; 15–16, Voatendrin’ Andriamanitra ny fanambadiana; 17–21, Ekena ny fihinanana hena; 22–28, Hiroborobo i Ziona ary hamony tahaka ny raozy ny Lamanita mialoha ny Fiaviana Fanindroany.

1 Mihainoa ny teniko ry i Sidney sy i Parley ary i Leman mpanompoko; fa indro, lazaiko aminareo marina tokoa fa omeko didy ianareo handehananareo sy ahitorianareo ny filazantsarako izay efa noraisinareo, tahaka izay efa nandraisanareo izany, amin’ny Shakers.

2 Indro, lazaiko aminareo fa maniry izy ireo ny hahafantatra ny ampahany fa tsy ny marina rehetra, satria tsy amahitsy eo anoloako izy ireo ary tsy maintsy mibebaka.

3 Koa maniraka anareo Aho ry i Sidney sy i Parley hitory aminy ny filazantsara.

4 Ary i Leman mpanompoko dia hatokana ho amin’io asa io mba hahazoany mifandahatra aminy, tsy araka izay efa noraisiny taminy fa araka izay efa ahampianarinareo mpanompoko azy; ary hitahy azy Aho amin’ny fanaovana izany, fa raha tsy izany dia tsy hahomby izy.

5 Izao no lazain’ny Tompo; fa Izaho no Andriamanitra izay efa ananiraka ny Zanako Lahitokako ho eo amin’izao tontolo izao ho bfanavotana izao tontolo izao, ary efa nanapaka fa izay mandray Azy dia hovonjena, ary izay tsy mandray Azy kosa dia dhohelohina

6 Ary efa nataon’izy ireo tamin’ny aZanak’Olona izay sitrak’izy ireo; ary efa nandray ny heriny teo ban-kavanan’ny dvoninahiny Izy ary manjaka ankehitriny any an-danitra sy hanjaka ambara-pidiny ety an-tany, dia fotoana izay efa akaiky sahady, ka hanaovany ny fahavalony rehetra ho eo eambanin’ny tongony—

7 Izaho Tompo Andriamanitra no efa niteny izany; saingy tsy misy olona mahafantatra ny ora sy ny aandro, na dia ny anjely any an-danitra aza, sady tsy hahafantatra ireo raha tsy efa avy Izy.

8 Koa sitrako ny hibebahan’ny olon-drehetra, fa ambany afahotana ny rehetra afa-tsy ireo izay efa natokako ho an’ny tenako, dia blehilahy masina izay tsy fantatrareo.

9 Koa lazaiko aminareo fa efa nalefako any aminareo ny afanekempihavanako maharitra mandrakizay, dia ilay efa hatrany am-piandohana.

10 Ary izay efa nampanantenaiko dia efa notanterahiko, ary ireo afirenena eto an-tany dia bhitsaoka izany; ary raha tsy mitsaoka izy ireo dia haetry, fa izay manandra-tena ankehitriny dia dhaetry amin-kery.

11 Koa omeko didy ianareo ahandehananareo any anivon’ity vahoaka ity ary hilazanareo aminy, tahaka ny apôstôliko fahiny izay i Petera no anarany, hoe:

12 Minoa ny anaran’i Jesoa Tompo izay tety an-tany ary ho avy, ny fiandohana sy ny fiafarana;

13 aMibebaha ary aoka hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, araka ny didy masina, ho famelana ny fahotana;

14 Ary na zovy na zovy no manao izany dia handray ny afanomezana ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’ny bfametrahan-tanan’ny loholon’ny fiangonana.

15 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa na zovy na zovy no amandrara tsy hanambady dia tsy voatendrin’ Andriamanitra, fa ny bfanambadiana dia voatendrin’ Andriamanitra ho an’ny olona.

16 Koa araka ny lalàna ny tokony hananany avady iray, ary ho bnofo iray ihany izy roroa; ary izany rehetra izany dia ny mba hahatratraran’ny dtany ny tanjona namoronana azy;

17 Ary izany dia ny hahazoana mameno ny fatrany amin’ny isan’ny olombelona, araka ny anahariana azy btalohan’ny nanaovana izao tontolo izao.

18 Ary na zovy na zovy no amandrara ka mampifady bhena, mba tsy hihinanan’ny olona izany dia, tsy voatendrin’ Andriamanitra izy;

19 Fa indro, ny abiby eny an-tsaha sy ny voron’ny habakabaka ary izay avy amin’ny tany dia efa voatendry mba hataon’ny olona fihinana sy fitafy, ary mba hananany be dia be.

20 Kanefa tsy voadidy ny tokony ahananan’ny olona iray mihoatra noho ny iray hafa, noho izany dia mitoetra ao amin’ny fahotana bizao tontolo izao.

21 Ary lozan’ny olona izay amandatsa-dra na izay manimba foana ny hena nefa tsy ao anatin’ny fahasahiranana.

22 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa ny Zanak’Olona atsy tonga amin’ny endri-behivavy, na amin’ny an’ny lehilahy mandehandeha eto an-tany.

23 Koa aoka tsy ho avoafitaka ianareo, fa mitozoa ao amin’ny fiorenana mafy, amin’ny bfanampoizana ny lanitra hihozongozona, ary ny tany hihorohoro sy hivembena etsy sy eroa toy ny olona mamo, ary ny dlohasaha hasandratra sy ny etendrombohitra haetry ary ny toerana mikitoantoana ho tonga marin-tampona—ary izany rehetra izany rehefa hitsoka ny ftrompetrany ny anjely.

24 Nefa mialoha ny hahatongavan’ny andro lehiben’ny Tompo, dia hiroborobo; any an-tany foana i aJakoba, ary bhamony tahaka ny raozy ny Lamanita.

25 aHiroborobo eny amin’ny bhavoana i Ziona ary hifaly eny an-tendrombohitra sy hangonina miaraka ho amin’ny toerana izay efa voatendriko.

26 Indro, Izaho milaza aminareo hoe mandehana araka izay efa nandidiako anareo; mibebaha amin’ny fahotanareo rehetra; amangataha dia hahazo ianareo; dondòny dia hovohana ianareo.

27 Indro, Izaho handeha eo alohanareo ary ho avodilaharanareo; ary Izaho ho eo bafovoanareo, ary tsy dhangaihay ianareo.

28 Indro, Izaho no Jesoa Kristy, ary avy afaingana Aho. Izany tokoa. Amena.