Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24


Fizarana 24

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Oliver Cowdery tao Harmony Pennsylvania, ny volana jolay 1830. Na dia vao efa-bolana latsaka aza no lasana hatramin’ny nanorenana ny Fiangonana, dia nanjary nihamafy ny fanenjehana ary voatery nitsimbina ny ainy tamin’ny fitokana-monina tsindraindray ireo mpitondra. Ireto fanambarana telo manaraka ireto dia nomena tamin’izay fotoana izay mba hanatanjahana, hampaherezana, ary hampianarana azy ireo.

1–9, Nantsoina mba handika teny, hitory ary hamelabelatra ny soratra masina i Joseph Smith; 10–12, Nantsoina mba hitory ny filazantsara i Oliver Cowdery; 13–19, Nambara ny lalàna mikasika ny fahagagana, ny fanozonana, ny fanintsanana ny vovoka amin’ny faladia ary ny fandehanana tsy miaraka amin’ny kitapom-bola na kitapom-batsy.

1 Indro, nantsoina sy nofinidy ianao hanoratra ny Bokin’i Môrmôna sy ho amin’ny asa fanompoana Ahy; ary efa nanavotra anao hiala tao amin’ny fijalianao Aho sady efa nanoro hevitra anao, ka dia nafahana tamin’ny fahavalonao rehetra ianao sady nafahana tamin’ny herin’i Satana sy tamin’ny haizina!

2 Kanefa tsy afa-tsiny ianao tamin’ny afandikan-dalàna nataonao; kanefa mandehana ary aza manota intsony.

3 aAndriano ny anjara fanompoanao; ary rehefa avy namafy ny tanimbolinao sy niaro izany ianao dia mandehana faingana mankany amin’ny fiangonana izay ao bColesville sy Fayette ary Manchester, ary dhanohana anao ireo; ary hotahiako ireo na ara-panahy izany na ara-batana;

4 Fa raha tsy mandray anao ireo, dia halefako aminy ny ozona ho solon’ny fitahiana.

5 Ary hotohizanao ny fiantsoana an’ Andriamanitra amin’ny anarako sy ny fanoratana ny zavatra izay homen’ny aMpampionona anao ary ny famelabelarana ny soratra masina rehetra amin’ny fiangonana.

6 Ary homena anao izany amin’ny fotoana ahitenenanao sy hanoratanao indrindra, ary hihaino izany izy ireo, fa raha tsy izany dia halefako aminy ny ozona ho solon’ny fitahiana.

7 Fa hatokanao ho an’i Ziona ny afanompoanao rehetra; ary amin’izany dia hahazo tanjaka ianao.

8 aMahareta amin’ny bfahoriana, fa ho tojo maro ianao; nefa diareto ireny fa indro, Izaho momba anao hatrany amin’ny efaran’ny andronao.

9 Ary amin’ny anjara fanompoana ho an’izao fiainana izao, dia tsy hatanjaka ianao, satria tsy izany no antso anananao. Ilofosy ny aantso anananao dia ho azonao izay ilainao hanandrianana ny asa fanompoanao sy hamelabelarana ny soratra masina rehetra ary hanohizana ny fametrahan-tanana sy ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny fiangonana.

10 Ary i Oliver rahalahinao dia hanohy ny fitondrana ny anarako eo anoloan’izao tontolo izao, ary koa amin’ny fiangonana. Ary tsy tokony hihevitra izy fa afaka milaza ny ampy ho an’ny foto-kevitro; ary indro, Izaho momba azy hatramin’ny farany.

11 Ato Amiko no hananany voninahitra fa tsy noho ny tenany, na ao amin’ny fahalemena na ao amin’ny tanjaka, na ao amin’ny fatorana na ao amin’ny fahafahana;

12 Ary amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra dia hanokatra ny vavany izy ary ahanambara ny filazantsarako toy ny amin’ny feon’ny btrompetra na andro na alina. Ary homeko tanjaka izy, toy izay mbola tsy fahita eo anivon’ny olombelona.

13 Aza mangataka afahagagana raha tsy bdidiako ianareo, afa-tsy ho dfandroahana ny edevoly hiala, ho ffanasitranana ny marary ary ho fanoherana ny gpoizin’ny menarana sy ho fanoherana ny poizina mahafaty.

14 Ary aireo zavatra ireo dia aza ataonareo raha tsy angatahin’ireo izay maniry izany aminareo, mba hahatanteraka ny soratra masina; fa ianareo dia hanao araka izay voasoratra.

15 Ary na aiza na aiza toerana ahidiranareo, ka tsy mampandroso anareo amin’ny anarako izy ireo dia havelanareo ny ozona ho solon’ny fitahiana amin’ny fanintsanana ny bvovoka hiala amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy, ary amin’ny fanadiovana ny tongotrareo eo amoron-dalana.

16 Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no hikasi-tanana anareo hanao herisetra, dia hodidianareo ny hamelezana azy amin’ny anarako; ary indro, Izaho hamely azy araka ny teninareo amin’ny fotoana mahamety izany Amiko.

17 Ary na zovy na zovy no hitondra anao eo anoloan’ny lalàna dia ho voaozon’ny lalàna.

18 Ary ianao dia tsy hitondra akitapom-bola, na kitapom-batsy, na tehina, na akanjo roa, fa ny fiangonana no hanome anao amin’ny ora indrindra izay ilanao hanina sy akanjo, ary kiraro sy vola, ary kitapom-batsy.

19 Fa voantso ianao ahandrantsana ny tanimboliko amin’ny fandrantsanana mahery, eny, dia izao farany izao; eny, ary koa ireo rehetra izay efa bnatokanao, ary izy ireo dia hanao araka ity toromarika ity. Amena.