Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131


Fizarana 131

Torolalana nomen’i Joseph Smith Mpaminany tao Ramus, Illinois, tamin’ny 16 sy 17 mey 1843.

1–4, Ny fanambadiana selestialy no fototry ny fisandratana ao amin’ny lanitra avo indrindra; 5–6, Hazavaina ny fomba ifehezana ny olona ho amin’ny fiainana mandrakizay; 7–8, Ny fanahy rehetra dia singan-javatra.

1 Ao amin’ny avoninahitra selestialy dia misy lanitra telo na ambaratonga;

2 Ary mba hahazoana ny aavo indrindra, ny olona dia tsy maintsy miditra ao amin’ity lamin’ny fisoronana ity [dia ny bfanekempihavanana vaovao sy maharitra mandrakizain’ny fanambadiana];

3 Ary raha tsy manao izany izy dia tsy afaka ny hahazo izany.

4 Mahazo miditra ao amin’ny hafa izy, saingy izany no fiafaran’ny fanjakany; tsy afaka ny hanana afitomboana izy.

5 (17 mey 1843.) Ny tenin’ny afaminaniana mafy orina kokoa dia ny fahalalan’ny olona fa izy dia bfehezina ho amin’ny dfiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fanambarana sy ny fanahin’ny faminaniana, amin’ny alalan’ny herin’ny Fisoronana Masina.

6 Tsy azo heverina ny ahamonjena ny olona ao amin’ny btsy fahalalana.

7 Tsy misy na inona na inona tsy avy amin’ny tamba-tsinga. Ny afanahy rehetra dia tamba-tsinga, saingy madio sy malefaka kokoa ary tsy hay avahana raha tsy amin’ny maso bmadio kokoa;

8 Tsy haintsika jerena izany; fa rehefa voadio ny vatantsika dia ho hitantsika fa tamba-tsinga avokoa izany.