Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95


Fizarana 95

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 1 jona 1833. Ity fanambarana ity dia tohin’ny toromarika avy amin’ Andriamanitra momba ny tokony hanorenana trano iray hitsaohana sy hianarana, dia ny tranon’ny Tompo (jereo ny fizarana 88:119–136).

1–6, Nanarina ireo Olomasina satria tsy nahavita ny tranon’ny Tompo; 7–10, Ny fanirian’ny Tompo dia ny hampiasana ny tranony hanafiana ny olony amin’ny hery avy any ambony; 11–17, Atokana ho toerana fiderana sy ho sekolin’ny Apôstôly ny trano.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo izay tiako, ary izay tiako koa no afaiziko hahazoana bmamela ny fahotany, fa amin’ny fananarana no anomanako ny lalana dhanafahana azy amin’ny karazana efakam-panahy rehetra, ary efa tia anareo Aho—

2 Koa tsy maintsy ilaina ny ananarana sy anitsiana anareo eo anoloan’ny tavako;

3 Fa efa nanota tamiko tamin’ny fahotana lehibe ianareo, noho ny tsy nitandremanareo tamin’ny lafiny rehetra ny didy lehibe izay efa nomeko anareo momba ny fanorenana ny atranoko;

4 Ho an’ny fanomanana izay kasaiko hanomanana ny apôstôliko mba ahandratsana farany ny tanimboaloboko, hahazoako manatanteraka ny asako bmahatalanjona, hahazoako dmandatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra—

5 Nefa indro, lazaiko aminareo marina tokoa fa misy maro ireo izay efa natokana eo anivonareo, izay efa nantsoiko saingy vitsy aminy no avoafidy.

6 Ireo izay tsy voafidy dia efa nanota tamin’ny fahotana lehibe tokoa, noho izy ireo mandeha ao amin’ny ahaizina amin’ny mitataovovonana.

7 Ary noho izany antony izany no nanomezako anareo didy hanaovanareo ny afivorianareo masina, mba hahatonga ny bfifadianareo sy ny alahelonareo ho tafakatra eo an-tsofin’ny Tompon’ny dSabaota, izay raha adika dia ny empahary ny andro voalohany, ny fiandohana sy ny fiafarana.

8 Eny, lazaiko aminareo marina tokoa, nomeko anareo ny didy mba hanorenanareo trano, ka ao amin’izany trano izany no kasaiko ahanafiana ireo izay efa nofidiko amin’ny hery avy any ambony;

9 Fa izany no afampanantenan’ny Ray ho anareo; koa mandidy anareo hitoetra Aho, toy ireo apôstôliko tao Jerosalema.

10 Kanefa dia nanota tamin’ny fahotana lehibe tokoa ireo mpanompoko; ary nitranga teo anivon’ny asekolin’ny mpaminany ny bfifandirana izay tena nampalahelo Ahy tokoa, hoy ny Tomponareo; koa noroahiko izy ireo mba hofaizina.

11 Lazaiko aminareo marina tokoa, sitrako ny hanorenanareo trano. Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hanan-kery hanorenana izany.

12 Raha tsy amitandrina ny didiko ianareo, dia tsy hitoetra ao aminareo ny bfitiavan’ny Ray, koa handeha ao amin’ny haizina ianareo.

13 Ankehitriny dia izao no fahendrena sy ny sain’ny Tompo—aoka haorina ny trano, tsy araka ny fomban’izao tontolo izao, fa tsy omeko anareo ny hivelomanareo araka ny fomban’izao tontolo izao.

14 Koa aoka haorina izany araka ny fomba izay hasehoko amin’ny telo aminareo izay hotendrenareo sy hatokanareo ho amin’izany hery izany.

15 Ary ny refiny dia ho valo ambin’ny folo metatra sy dimy ambin’ny folo ny sakany, ary aoka ho iraika amby roapolo metatra sy dimy amby efapolo ny lavany ao amin’ny kianja anatiny.

16 Ary aoka ny rihana ambany amin’ny kianja anatiny hatokana ho Ahy, ho fanoloranareo ny fanasan’ny Tompo, sy ho an’ny fitorianareo ary ny fifadianareo sy ny fivavakareo ary ny afanateranareo ny fanirianareo tena masina indrindra ho Ahy, hoy ny Tompo.

17 Ary aoka ny rihana ambony amin’ny kianja anatiny hatokana ho Ahy, ho sekolin’ny apôstôliko, hoy ny Zanakalahy aAmàna; na amin’ny teny hafa, Alfa, na amin’ny teny hafa, Omega, dia i Jesoa Kristy bTomponareo. Amena.