Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 85


Fizarana 85

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 27 nôvambra 1832. Ity fizarana ity dia nalaina tamin’ny taratasin’ny Mpaminany ho an’i William W. Phelps izay nonina tao Independence, Missouri. Mamaly ireo fanontaniana momba ireo Olomasina efa nifindra monina tany Ziona izany saingy tsy nanaraka ny didy mba hanokana ny fananany ka noho izany tsy nahazo ny lovany araka ny fandaminana najoro tao amin’ny Fiangonana.

1–5, Raisina amin’ny alalan’ny fanokanana fananana ny lova ao Ziona; 6–12, Ilay mahery sy matanjaka no hanome ny Olomasina ny lovany ao Ziona.

1 Andraikitry ny mpitan-tsoratry ny Tompo, izay efa notendreny ny mitana ny tantara sy ny arakitsoratra ankapoben’ny fiangonana momba ny zava-drehetra izay mitranga ao i Ziona sy ny momba ireo rehetra izay bmanokana fananana ary mandray lova ara-dalàna avy amin’ny eveka;

2 Ary koa ny momba ny toe-piainany, ny finoany ary ny asany; ary koa ny momba ireo mpivadika izay mivadika aorian’ny andraisany ny lovany.

3 Mifanohitra amin’ny sitrapo sy ny didin’ Andriamanitra ny tokony hanoratana miaraka amin’ny vahoakan’ Andriamanitra ny anaran’ireo izay tsy nandray ny lovany tamin’ny alalan’ny afanokanana fananana, araka ny lalàny izay efa nomeny mba hahazoany mampandoa ny olony ny bfahafolonkarena, hanomanana azy ho amin’ny andro dfamaliana sy ny fandoroana.

4 Sady tsy tokony hotanana ny tetiarany, na hotehirizina any amin’izay mety hahitana izany amin’izay mety ho rakitsoratra na tantaran’ny fiangonana.

5 Ny anarany, na ny anaran’ireo rainy, na ny anaran’ireo zanany dia tsy tokony ho hita voasoratra ao amin’ny abokin’ny lalàn’ Andriamanitra, hoy ny Tompon’ny Maro.

6 Eny, toy izao no lazain’ilay feo atony sy malefaka izay mibitsibitsika ary bmandoaka ny zava-drehetra ary mazàna dia mahatonga ny taolako hipararetra rehefa mitranga izy, manao hoe:

7 Ary izany no zavatra hitranga, fa Izaho Tompo Andriamanitra dia handefa an’ilay mahery sy matanjaka, mihazona ny tehin-kery eo an-tanany, mitafy ny hazavana fisalobonana, izay hanao teny ny vavany, teny mandrakizay; raha ny kibony kosa ho loharanon’ny fahamarinana ka handamin’ny ny tranon’ Andriamanitra sy handamin’ny amin’ny antsapaka ny lovan’ny olomasina izay hita ho voarakitra ao amin’ny bokin’ny lalan’ Andriamanitra ny anarany sy ny anaran-drainy ary ny anaran-janany;

8 Raha ilay lehilahy kosa, izay nantsoin’ Andriamanitra ary voatendry, izay maninjitra ny tanany mba hanohana ny afiaran’ Andriamanitra, halavon’ny zana-tsipikan’ny fahafatesana, tahaka ny hazo izay asian’ny zana-tsipikan’ny varatra mahajambena.

9 Ary ireo rehetra izay tsy hita ho voasoratra ao amin’ny abokin’ny fahatsiarovana dia tsy hahita lova amin’izany andro izany fa hosamatsamahana ary homena anjara any anivon’ny tsy mpino, any no misy bfidradradradrana sy fikitroha-nify.

10 Ireo zavatra ireo dia tsy ambarako ho avy amiko; koa tahaka ny itenenan’ny Tompo no hanatanterahiny ihany koa.

11 Ary ireo izay avy amin’ny Fisoronana Avo, izay tsy hita ho voasoratra ao amin’ny abokin’ny lalàna ny anarany, na izay hita ho efa bnivadika, na ho efa dnosarahina hiala tamin’ny fiangonana, torak’izany koa ny fisoronana ambany, na ireo mpikambana, dia tsy hahita lova eo anivon’ireo olomasin’ny Avo Indrindra amin’izany andro izany;

12 Koa izy ireo dia hoentina toy ireo zanaky ny mpisorona araka izay voasoratra ao amin’ny Ezra toko faharoa ary ny andininy fahiraika sy faharoa amby enimpolo.