Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28


Fizarana 28

Fanambarana nomena an’i Oliver Cowdery tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Fayette, New York, ny volana septambra 1830. Nanana vato iray i Hiram Page izay mpikambana tao amin’ny Fiangonana ary nihambo ho nahazo fanambarana tamin’ny alalan’izany momba ny fananganana an’i Ziona sy ny fandaminana ny Fiangonana izy. Voafitak’izany filazana izany ny mpikambana maro, ary na dia i Oliver Cowdery aza dia voataonan’izany filazana diso izany. Taloha kelin’ny fihaonambe, dia nanontany ny Tompo tamin-kafanam-po momba ilay raharaha ny Mpaminany ka nahazo izao fanambarana manaraka izao.

1–7, Nihazona ny fanalahidin’ireo mistery i Joseph Smith, ary izy irery ihany no mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana; 8–10, Tokony hitory amin’ny Lamanita i Oliver Cowdery; 11–16, Nofitahin’i Satana i Hiram Page ka nomeny fanambarana diso.

1 Indro, lazaiko aminao ry aOliver fa homen-dalana ianao ny ho ren’ny fiangonana na amin’inona na amin’inona bhampianarinao azy amin’ny alalan’ny dMpampionona momba ireo fanambarana sy didy izay efa nomeko.

2 Nefa indro, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, atsy misy olona hotendrena mba handray ireo didy sy fanambarana ao amin’ity fiangonana ity afa-tsy i bJoseph Smith zanany mpanompoko, fa mandray ireny tahaka an’i Mosesy izy.

3 Ary ho mpankatò tahaka an’i aAharôna ianao, amin’ny zavatra izay homeko azy, mba hilaza ireo didy sy fanambarana amin’ny fiangonana amim-pahamarinana miaraka amin’ny hery sy ny bfahefana.

4 Ary raha tarihin’ny Mpampionona ianao na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona mba ahiteny na hampianatra, na mba handidy ny fiangonana amin’ny fotoana rehetra, dia azonao atao izany.

5 Saingy tsy hanoratra amin’ny alalan’ny fandidiana anao ianao, fa hanoratra araka ny fahendrena;

6 Ary tsy handidy izay filohanao sy filohan’ny fiangonana ianao;

7 Fa efa nomeko azy ny afanalahidin’ny bmistery sy ny fanambarana izay nofehezina, mandra-panendriko iray hafa ho azy ireo ho eo amin’ny toerany.

8 Ary ankehitriny indro, lazaiko aminao fa handeha ho any amin’ny aLamanita ianao ary hitory ny bfilazantsarako aminy; ary raha mandray ny fampianaranao izy, dia haorinao eo anivony ny fiangonako; ary hahazo fanambarana ianao, saingy aza soratana amin’ny alalan’ny fandidiana izany.

9 Ary ankehitriny indro, lazaiko anao fa tsy nambara izany ary tsy misy olona mahafantatra izay toerana hanorenana ny atanàna bZiona, fa homena rahatrizay izany. Indro lazaiko aminao fa ho eo amin’ny sisin-tany akaikin’ny Lamanita izany.

10 Tsy handao ity toerana ity ianao raha tsy aorian’ny fihaonambe; ary hotendren’ny feon’izany fihaonambe izany i Joseph mpanompoko mba hitarika ny fivoriana, ary izay lazainy anao no hoteneninao.

11 Ary ankoatra izany, dia haka an’i Hiram Page rahalahinao ianao, amitokàna ianao sy izy ka lazao azy fa ireo zavatra izay efa nosoratany avy amin’ilay vato ireo dia tsy avy Amiko, ary bmamitaka azy i dSatana;

12 Fa indro, tsy notendrena ho azy ireto zavatra ireto sady tsy hisy na iza na iza hotendrena ho amin’ny zavatra izay mifanohitra amin’ny fanekempihavanan’ny fiangonana.

13 Fa ny zava-drehetra dia tsy maintsy atao amim-pilaminana sy amin’ny afaneken’ny rehetra ao amin’ny fiangonana, amin’ny fivavaky ny finoana.

14 Ary hanampy amin’ny famahana ireo zavatra rehetra ireo ianao, araka ny fanekempihavanan’ny fiangonana, mialoha ny handehananao any anivon’ny Lamanita.

15 Ary ahomena anao hatramin’ny fotoana handehananao ka hatramin’ny fotoana hiverenanao, izay hataonao.

16 Ary tsy maintsy manokatra ny vavanao ianao amin’ny fotoana rehetra, ka manambara ny filazantsarako amin’ny feom-pifaliana. Amena.